Ny tena mpianatry ny Tompo marina tokoa
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Mey 2025
(Sal 100.1-5 / Hira 14.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka/Hira267.1.4)
Asan'ny Apostoly 4.23-31
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.Ny tena mpianatry ny Tompo marina tokoa
1- Miombom-po mandrakariva
Mafy tamin’ireo naman’i Petera sy Jaona tokoa ny fampahoriana sy ny famatorana izay nahazo azy roalahy, noho ny fahasahina nanao ny asan Andriamanitra, dia ny fitoriana ny famonjen’i Jesoa Kristy. Tsy nanary azy roalahy mihitsy izy ireo ary tsapan’izy roalahy izany; hany ka nihazakazaka namonjy ireo namany izy ireo rehefa navotsotra. Nafana tokoa izany fihaonana izany, ary nahitana taratra ny fiombonam-po sy fifankatiavana, ka nahatonga azy ireo niara-nanandratra ny feony hitalaho amin’Andriamanitra ny hiahian’Andriamanitra azy ireo, ka hananany fahasahiana hatrany na inona na inona sakantsakana. Isika mpianany koa dia tokony hiombom-po sy hangataka ny fahasahiana toy izay nananan’i Jesoa Kristy teo am-panatanterahana ny asany.
2- Henoin’Andriamanitra
Andriamanitra velona ny Andriamanitra nivavahan’ireto mpianatra ireto, koa rehefa nitalaho fatratra tamin’ny finoana izy ireo dia novalian’ Andriamanitra. Nofenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina ka tonga nanana fahasahiana nitory ny Tenin’Andriamanitra avokoa (and 31). Andriamanitra dia mahita sy mandre ny fahoriana sy fanenjehana mahazo ny Kristiana. Raha manana finoana tokoa isika, ka miantoraka sy mitaraina Aminy dia tsy hitaredretra Izy, fa hamaly sy hanome ho antsika ny Fanahy Masina mba hahazoantsika hery sy fahasahiana hanao ny asan’Andriamanitra. Ny olona toy izany no tena mpianatry ny Tompo tokoa.
Fanontaniana:
Tena mpanatry ny Tompo marina tokoa ve ianao? Hazavao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe