Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Mey 2025
(Sal 106.1-5 / Hira 482.1,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753.1)
Matio 1,18 - 25
18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. 19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, 21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] 22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. 24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny. 25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina
1- Tsy manala baraka ny namany.
Voalaza fa Josefa dia lehilahy marina, olona nadio fitondran-tena. Niatrika olana saro-bahana anefa izy, satria i Maria fofombadiny dia efa nitoe-jaza sahady. Fahafaham-baraka teo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina Jiosy ny toe-javatra toy izany. Sahirana ny sain’i Josefa, ho sarotra aminy ny hampakatra an’i Maria ho vadiny, tsy mora koa ny hiverin-dàlana ho amin’ny fisarahana. Tsy tiany anefa ny hahafa-baraka ity vehivavy izay nokasainy halaina ho vady. « Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. » (and.18). Raha olona tsy manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina no tratry ny toe-javatra toy izao dia angamba efa tonga tamin’ny fitoraham-bato sy fifanalam-baraka; hiahaka ny fainan-tokantrano ka fikorontanana no hiafarany.
2- Mankato ny Tenin’Andriamanitra.
Nambaran’ny anjely tamin’i Josefa ny anton’izao zava-mahagaga momba ny fahaterahan’i Jesoa izao. Nolazainy taminy fa ny fahatongavan’i Jesoa dia ny hamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny fahotany. Nanaiky hanambady an’i Maria i Josefa, rehefa nazava taminy ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hahatanteraka ny teny izay nampilazainy ny mpaminany (and.22,23). Ny fisainantsika olombelona dia tsy ampy hahatakatra sy hahavaha ny ankabeazan’ny olana miseho eo amin’ny fiainan-tokantrano, na ny olana eo amin’ny fiainam-piaraha-monina sy ny firenena. Manampy antsika amin’izany ny fandinihana sy fanarahana izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
Fanontaniana:
Inona avy no mahatonga ny korontana sy fisaraham-panambadiana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe