Ny herin’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Mey 2025

(Sal 126 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332)

Zakaria 4.1-7
1 [Fahitana fahadimy: ny amin'ny fanaovan-jiro, sy ny hazo oliva roa] Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory. 2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony; 3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany. 4 Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko? 5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko. 6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . 7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao*; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na: ry tendrombohitra lehibe eo anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]

Ny herin’ny Fanahy Masina

Rehefa niverina avy tany am-pahababoana ny Jiosy dia nisedra fahasahiranana samihafa. Betsaka ny sakantsakana tamin’ny fanarenana ny Tempoly. Soa fa teo ny Fanahy Masina:

1- Maneho ny fanatrehan Andriamanitra

Nanehoan’ny Tompo fahitana i Zakaria mpaminany mba ho fampaherezana an’i Zerobabela sy Josoa izay nitarika ny vahoaka amin’ny fanarenana ny Tempoly. Hoy izy: « Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ny isan’ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony ». Ny fahitana ny amin’ny fanaovan-jiro volamena fito mirehitra no nanehoan’Andriamanitra ny fanatrehany sy ny halehiben’ny fahefany eo amin’ny olony, ary ny fitoeran-diloilo eo an-tampony kosa dia manambara fa ny Fanahy Masina no toy ny solika mitsororika mampirehitra ny jiro izay mahatonga ny vahoakany ho fahazavana ho an’ny olona rehetra. Zava-dehibe ho antsika mpino ny fahatsapana fa manatrika antsika ny Tompo.

2- Manampy amin’ny fanatanterahana ny asa

Nampahafantarin’ny anjely an’i Zakaria ny hafatra avy amin’ny Tompo mba ho fampaherezana an’i Zerobabela: « Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. » (and.6). Ny Fanahy Masina no loharanon-kery hahavitana ny asan’Andriamanitra fa tsy ny hery ara-tafika, na ny fahefana amin’ny maha olombelona. Ny Fanahin Andriamanitra tao Aminy no nahavitan’i Jesoa ny asa nanirahan’ny Ray Azy, sady nandraisan’ny Fiangonana hery tamin’ny andro Pentekosta ka nielezan’ny Filazantsara maneran-tany.

Fanontaniana;

Ahoana no ahatsapana ny fanatrehan’ny Tompo amin’ny flainantsika andavanandro?

Sampana Sekoly Alahady Foibe