Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Mey 2025
(Sal 108.1-5 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 310)
Asan'ny Apostoly 8. 26-40
26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. 27 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka; 28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany 29 Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. 30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? 31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana] 32 Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy; 33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy *? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany] 34 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy. 36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 37 * [* Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra] 38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. 39 Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly. 40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Aoka ho vonona mandrakariva isika, satria tsy voatery ho fantatra mialoha ny asa misiona antsika. Izy no mitarika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny anjarantsika kosa dia:
1- Manaraka tsara ny toromarika omeny.
Nanaraka izay nolazain’ny anjelin’ny Tompo i Filipo ka nizotra nidina avy ao Jerosalema, namakivaky ny tany efitra mankany Gaza. Tsy nolazaina azy mialoha na toerana haleha na ny asa hampanaovin’ny Tompo azy, fa nanaraka fotsiny izy. Lehilahy jentilisa iray, manam-boninahitra ambony, avy namonjy fivoriam-bavaka ka an-dalana hiverina mody, mipetraka ao anaty kalesiny mijanona, mamaky Soratra Masina, no nataon’ny Tompo hifanena sy hiresaka tamin’i Filipo. Mandinika ny Soratra Masina izy, saingy tsy fantany izay hevitry ny teny novakiany. Inona no hararaotin’ny mpitondra fivavahana rehefa mihaona amin’olona manokana sy manan-kaja toy izany? Inona no nataon’i Filipo?
2- Manazava ny Soratra Masina.
Ilaina ny fahaizana manazava ny Soratra Masina, indrindra ho an’ireo izay voantso manokana ho amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Mila mpampianatra izany, araka ny voalazan’ilay lehilahy etiopiana hoe: « Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? » (and.31). Tsy ampy hahatakarana izay lazain’ny Soratra Masina ny fahefana sy ny haja amam-boninahitra. Nanaiky izany ilay olo-manan-kaja. Maro ny olona toa azy: mangetaheta te handre sy hahalala izay ambaran’ny Soratra Masina ka mila mpampianatra. Miandry antsika izy ireny. Mahaiza manararaotra ny fotoana fihaonana aman’olona, hitaomana azy handray an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona no masaka ao an-tsain’ny mpitondra Fiangonana rehefa mihaona amin’ny mpitondra ara-panjakana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe