Ny voninahitr’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Mey 2025

(Sal.8 / Hira 1. 1,3,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira14.3)

Ezekiela 43.1-9
1 [Ny nidiran'ny voninahitr'i Jehovah ho ao amin'ny tempoly, sy ny teny nampitondrainy tamin'izany] Ary nentiny ho any amin'ny vava*;) hady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana. 2 Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny. 3 Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho. 4 Ary ny voninahitr'i Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano. 5 Dia nisy fanahy* nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.[Na: rivotra] 6 Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako. 7 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin*'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,[Heb. fatin'] 8 tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho. 9 Fa amin'izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin*' ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.[Heb. fatin']

Ny voninahitr’Andriamanitra

1- Manambara ny fanatrehany

Midika ho fanatrehan’Andriamanitra ny fisehoan’ny voninahiny. Hitantsika izany tamin’ny fisian’ny andri-afo sy andri-rahona nitarika an’i Mosesy (Eks 13.21); tamin’ny nanomezana ny Didy folo; ny tao amin’ny Tempoly naorin’i Solomona (2Tan7.1). Ny fanatrehan’Andriamanitra no maha Tempoly ny Tempoly. Tsy misy maha fiangonana ny Fiangonana raha tsy eo ny fanatrehany sy ny fisehoan’ny voninahiny. Izany no maha zava-dehibe izao fahitan’i Ezekiela izao (and.2,4,5,7). Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ho nofo no fisehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra sy fanatrehany antsika, araka izay nambaran’i Jaona hoe: « …Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. » (Jao 1.14)

2- Manambara ny fahamasinany.

Amin’izay itoeran’ny fahamasinana no itoeran’ny voninahitr’ Andriamanitra. Ny fanompoan-tsampy nataon’ny vahoakany no nampiala ny voninahitr’Andriamanitra tao amin’ny Tempoly (Eze 10), ary izany dia mahatonga famaizana avy amin’Andriamanitra. Tsy sitrak’ Andriamanitra anefa ny hahafaty ny olony ka hoy Izy: « Fa amin’izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin’ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho » (and.9). Izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy sy manana firaisana amin’ny Fanahy Masina dia itoeran’ny voninahitr’ Andriamanitra. Ny Kristiana manana toe-panahy toy izany no Tempolin’ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no ahaizantsika manome voninahitra Azy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe