Mamaly vavaka Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Mey 2025

Sal.121/ Hira 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462

Salamo 143.7-12
7 Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho. 8 Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko. 9 Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko. 10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina. 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana. 12 Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.

Mamaly vavaka Andriamanitra

1- Aoka hino sy hatoky Azy isika.

Olona azom-pahoriana sy voahodidim-pahavalo ka mila tsy hahita izay lalan-kivoahana… Izany no endrika isehoan’ny mpanao Salamo eto. Ny mampiavaka azy dia noho izy nahay nisafidy ny hitodika amin’Andriamanitra sy hila vonjy Aminy. Mitaraina amin’ Andriamanitra izy noho izay rehetra manjo azy, sady miandrandra valim-bavaka avy Aminy (and.7,8). Hita taratra amin’ny tonom-bavaka ataony fa manana fahatokiana an’ Andriamanitra izy. Ny finoana sy ny fahatokiana no toe-panahy takiana voalohany indrindra raha mivavaka isika. Izay rehetra mivavaka Aminy dia tsy maintsy mino aloha fa mihaino Izy, ary mamały izay rehetra miantso Azy.

2- Meteza hotarihin’ny Fanahiny

Maika hahazo valim-bavaka ny olombelona rehefa misy mahatery azy: « Faingana hamaly ahy, Jehovah … » (and.7). Tsy mahadiso antsika akory ny mamboraka izay rehetra ao am-po mbamin’izay rehetra irina ho tanteraka: fanafahana amin’ny fahoriana (and. 11); famelezana ny fahavalo (and.12). Kanefa tsy tokony hibaiko na hanery an’Andriamanitra amin’ny asany sy ny fitantanany isika. Manana izay hevitra iheverana antsika sy lalana itondrana ny fiainantsika Izy. Izay tokony hangatahina fatratra dia ny mamantatra ny sitrapony sy manaiky ny fitarihan’ny Fanahiny, tahaka izay nataon’ny mpanao Salamo hoe: « Ampianaro hanao ny sitraponao aho: Fa Hianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina. » (and.10). Ny fanekeny ny sitrapon’ny Ray ho famonjena antsika no niaretan’i Jesoa ny fahoriana teo amin’ny Hazofijaliana.

Fanontaniana:

Indraindray dia toa ela ny valim-bavaka. Inona no anton ‘izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe