Feno ny Fanahy Masina i Zakaria:
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Mey 2025
VOLANA MAY 2025
Lioka 1.67-80
67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. 76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany. 77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony, 78 Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[*Na: niposahan'] 79 Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana. 80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.VOLANA MAY 2025
« MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA »
Feno ny Fanahy Masina i Zakaria:
1. Fiderana an’Andriamanitra no aloaky ny vavany.
Tamin’ny fotoana nanaovan’i Zakaria ny anjara asa fisoronana tao amin’ny Tempoly no nisy anjely niseho taminy, nilaza taminy fa hiteraka zazalahy izy. Tsy nino izany i Zakaria, satria efa antitra izy mivady ka noheveriny fa tsy afaka hiteraka intsony. Vokatr’izany tsy finoany izany dia nanambara ilay anjely fa ho moana izy ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ny andro hisehoan’izany zavatra izany (Lio 1. 18-20). Tanteraka tokoa izany… Taorian’ny nahaterahan’i Jaona mpanao batisa vao afaka niteny indray izy. Araka izay hitantsika eto dia fisaorana an’Andriamanitra no nipololotra tao am-pony sy naloaky ny vavany raha vao afaka niteny indray izy. Miderà an’Andriamanitra raha mbola velon’aina ka afaka misokatra sy miteny ny vava, miderà Azy, noho ny asany lehibe.
2- Manambara ny asa lehibe nataon’Andriamanitra izy
Ny vontoatin’izay nambaran’i Zakaria dia ny fanehoana ny asa lehibe nataon’Andriamanitra ho an’ny Israely, tamin’ny alalan’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy no Ilay Mpamonjy mpanafaka ny olona amin’ny fahavalo sy ny tanan’ny mpankahala, ary hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra (and.7174); Izy no masoandro miposaka avy any ambony hamangy antsika, tonga hanazava ireo mihitsoka ao anatin’ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana, sady mitarika antsika hizotra mankany amin’ny fiadanana maharitra mandrakizay.
Fanontaniana:
Amin’ny fotoana manao ahoana no tokony hisaotra sy hidera an ‘Andriamanitra isika? Vitan’ny olona tokoa ve izany?
Sampans Sekoly Alahady Foibe