« Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay »
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Aprily 2025
Sal 47,5-9 / Hira Fifoh 348 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:2:1,2
Jeremia 10. 6-16
6 Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao. 7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao. 8 Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany. 9 Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra. 10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany 11 (Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho at? ambanin'ny lanitra ireny) 12 Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany. 13 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany. 14 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy. 15 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. 16 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.« Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay »
Andriamanitra velona, tsy manaiky ny sampy
1- Jehovah, Izy no Andriamanitra velona
Tsy misy izay tahaka Azy, lehibe amin’ny hery ny anarany (and.6), Jehovah no Andriamanitra tokoa (and.10), sy Mpanjaka mandrakizay. Andriamanitra Mpahary, Andriamanitra hendry. Jehovah Tompon’ny maro, no anarany. Tsy takatry ny saina ny fahalebiazan’ Andriamanitra, tsy misy tsy hainy hatao. Voasoratra ao amin’ny Gen18, 14 hoe: « Moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain ‘i Jehovah va? ». Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ireo toetra rehetra maneho ny fahalebiazan’ Andriamanitra. Jesoa no Ilay niteny hoe: « Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao 10, 30). Manamafy izany ny voasoratra ao amin’ny Jao 5, 20 hoe: « Isika ao amin’ilay marina, dia ao amin’i Jesoa Kristy Zanany, Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay ».
2- Zava-poana ny sampy
Maro ireo andriamanitra sandoka izay nitokian’ny olona, araka ny voatanisa eto: tapa-kazo (and.8), volafotsy voafisaka nalaina tany Tarsisy, volamena avy tany Ofaza, asan-tanan’ny mpiasa sy ny mpanefy volamena (and.9). Tsy ankasitrahan Ilay Andriamanitra velona izany. Voasoratra hoe: » Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany » (Eks 20,3). Mampianatra antsika i Jesoa fa isan’ny didy lehibe ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo rehetra, fanahy rehetra, saina rehetra ary koa ny fitiavana ny namana tahaka ny tena (Mat 22, 37-38).
Fanontaniana
Inona avy ireo sampy tsy ankasitrahan Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe