Velona Jesoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Aprily 2025

(Sal 42,1-5 / Hira:142 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:141)

Matio 28. 1-17
1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. 2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. 3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala; 4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty. 5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. 6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo. 7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho. 8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra. 9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. 10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy. 11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho. 12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila 13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay; 14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo. 15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany. 16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany. 17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.

Velona Jesoa

1- Resiny ny fahafatesana

« Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo » (and.6). Nisedra zava-tsarotra tokoa ny Jesoa. Tao ireo fanilikilihana fony Izy nateraka; tao ny fanenjehana, ny kapoka, eny, nihatra taman’aina ny fampijaliana Azy; maty Izy ka nalevina. Kanefa resiny ny fahafatesana, velona ny Tompontsika. Izy no mpandresy an’i satana sy ny forongony. Mampahatsiaro ny toky nomeny izany, fa na dia mandalo hazo fijaliana aza dia hitsangana indray amin’ny andro fahatelo. Manokatra lalam-pandresena Izy Velona Jesoa. Efa nitsangana Izy.

2- Mifanena, manome toromarika mazava tsara

« Ary indro Jesoa nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra » Kihon-dalana iray manan-tantara eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fifanenana amin’i Jesoa. Ny toy izany no nanova an’i Saoly, ilay mpanenjika fahiny ho tonga mpitory filazantsara miavaka. Velona Jesoa ka miarahaba hoe: « Finaritra ». Teny tsotra izany, teny mampifandray, teny mampisinda raho-mitatao, teny velona mampahery anao.

3- Mihaona amin’ny mpianany

« Ary nony nahita Azy izy, dia niankohaka, fa ny sasany niahanahana » (and17). Niahanahana ny sasany eto. Toa nofy ilay hazo fijaliana, toa sarotra hadinoina ilay fandevenana vao tsy ela akory. Niova tanteraka ny zava-misy fa nitsangana Jesoa; foana ny fasana; velona ny Tompontsika. Voalaza any amin’ny 1Kor15,6-8 fa niseho tamin’ny olona miisa dimanjato mahery ny Tompo.

Fanontaniana

Mitondra inona ho ahy sy ho anao ny fandresen’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe