Mitaraina amin’ny Tompo ny mpino
Mofonaina anio: Talata, faha 22 Aprily 2025
Sal31,1-3 / Hira: 441:1,2,3,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:488
Salamo 22. 1-8
1 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako. 2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho. 3 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely. 4 Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao. 5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy. 6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka. 7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: 8 Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]Mitaraina amin’ny Tompo ny mpino
1- Noho ny fahatapahan’ny fifandraisana Aminy
« Andriamanitro 6, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy lanao? (and.la). Isan’ny zava-mangidy indrindra co fiainana ny fahafantarana fa tapaka tanteraka ny fifandraisana amin’Izy Tompo; ny fahatsapana fa toa mahafoy ny mpanompony ny Tompo. Mazava fa ny heloky ny olona no efitra mampisaraka azy amin’Andriamanitra. Niharihary izany, fa rehefa nitondra ny fahotantsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa dia toa nahafoy Azy Andriamanitra Ray. Izay ihany no lalana hamonjena antsika. Rehefa vitan’i Jesoa ny famonjena ka tontosa ny iraka notanterahiny dia indro Izy ankehitriny mipetraka eo ankavanan Andriamanitra Ray. Ilaina ny mihazona hatrany ny fifandraisana amin’ny Tompo. Adidintsika ny mangataka mba hampirindra hatrany ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Manontania tena raha misy elanelana Aminy.
2- Noho ny faniratsirana ataon’ny mpiara-monina
« Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy » (and7). Hita eto ireo fanilikilihana, fanambaniana, faniratsirana ary ireo fanarabiana samihafa nataon’ny mpiara-monina. Nandalovan’i Jesoa ihany koa izany, ary azo lazaina fa faminaniana amin’ny tranga izay tsy maintsy hatrehiny amin’ny fitondrana ny hazo fijaliana. Mampiomana antsika izao voalaza eto izao fa fomban-javatra ny fisian’ny fotoan-tsarotra samihafa. Tsy atao mahakivy na hampamoy fo ireny fa ny mitraka no atao. Miala amin’ny fahalavoana ary manohy ny fanompoana amin’ny fanantenana.
Fanontaniana
Inona no maha tapaka ny fifandraisana amin’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe