Ny Andriamanitra ivavahantsika

Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Aprily 2025

(Sal 66,8-12 / Hira: 146 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:142)

Daniela 6. 26-29
26 Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. 27 Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany. 28 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy et? an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona. 29 Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.

Ny Andriamanitra ivavahantsika

1- Andriamanitra velona

Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela noho ny fanohizany nandohalika sy nivavaka intelo isanandro teo anatrehan’Andriamanitra (and11). Nalahelo ny mpanjaka ary dia nirary azy hoe « Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao »(Dan 6.17). Nanontany ny mpanjaka nony maraina ny andro raha nahavonjy an’i Daniela ny Andriamanitra nivavahany (and 21). Namaly Daniela hoe: << Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy » (and23). Faly ny mpanjaka, ary nanao fanambarana miezinezina fa Andriamanitra velona ny Andriamanitr’i Daniela (and 27). lanao koa dia ilaina mba hanambara fa velona Jesoa. Hainy ny manafaka anao amin’ny fandrika.

2- Mpamponjy sy mpanafaka

« Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana » (and 28). Tsy takatry ny sain’olombelona ny fahalebiazan’ny Tompontsika. Amintsika mantsy, izay alatsaka ao an-davaky ny liona dia tsy maintsy maty; izay atsipy ao anaty lafaoro mahamay dia tsy maintsy kila forehitra; izay atelin’ny hazandrano any an-dranomasina dia tsy misy hevitra intsony; ary izay nodimandry dia tsy ho velona intsony. Manambara anefa ny Tompo hoe: « Ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako » (Isa55, 8). Aminy dia « miara-miasa hahasoa ny zava-drehetra » (Rom 8,28). Hainy ny manavotra sy hanafaka ny mpanompony. Jesoa no Mpamonjy sy mpanafaka antsika.

Fanontaniana

Inona avy ireo tranga efa nanafahan’ny Tompo anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny mpino miatrika fotoan-tsarotra

Asabotsy, 19 Aprily 2025

« Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i…

Nodimandry nefa manana fanantenana: ...

Talata, 15 Aprily 2025

Nisy fanontaniana tena nanahirana ny sain’ny Tesaloniana ity: Ny Kristiana izay maty amin’izao fotoana izao…

Andriamanitra Velona: Mendrika vonin...

Alahady, 13 Aprily 2025

Efa mahafantampantatra ny momba izany fivavahana izany ihany ny olona tao anatin’ny faritra nandehanan’i Paoly…