Jesoa Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Aprily 2025
(Sal 83,1-3 / Hira: 88 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira: 107)
Matio 26. 47-56
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona. 48 Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy. 49 Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy. 50 Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto*. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.[*Na: haninona eto ianao?] 51 Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny. 52 Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra. 53 Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho et? amiko Izy ankehitriny? 54 Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany? 55 Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo. 56 Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.Jesoa Tompo
1- Mahafantatra tsara ny toetran’ny olona
« Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto » (and 50): Na dia samy hafa aza ny fihetsika aschon’i Jodasy sy izay tena anton-diany dia fantatr’i Jesoa tsara izany. Fantany ny mpandainga sy ny mpihatsaravelatsihy. Fantany ny tena namana sy ny mpamadika. Aiza amin’ireo no misy anao?
2- Mandresy ny herisetra
« Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao » (and 52): Tsy vahaolana na oviana na oviana ny herisetra. Tsy olona no fahavalontsika fa ny devoly sy ny miaramilany. Ny anjarantsika dia ny mijoro ho vavolombelona, mitory fiadanana, mitory fihavanana na dia amin’izay mpanenjika sy mpankahala antsika aza. Mpitory fiadanana isika.
3- Manaiky tsy misy fepetra ny Soratra Masina
Maro ireo toe-javatra sarotra niainan’i Jesoa: ny fisian’ny mpianatra namadika, ireo mpisambotra sy izay mbola hitranga amin’ny lalan’ny hazo fijaliana. Neken’i Jesoa izany satria efa Voasoratra ho fanatanterahana ny famonjena antsika. Sady manaiky tsy misy fepetra izay voasoratra i Jesoa no mampahatsiaro antsika izay efa voalazan’ny mpaminany. Nekeny am-pitiavana ny hazo fijaliany.
4- Miatrika samirery ny sarotra
« Ary tamin’izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra » (and.56): Fantatra fa na ry Petera izay nilokaloka tsy handao an’i Jesoa mihitsy aza dia tsy vitan’ny hoe niala lavidavitra, fa tena nilaza fa tsy mahalala an’i Jesoa mihitsy. Aza kivy na toa irery aza, Jesoa eo hatrany.
Fanontaniana
Inona no hatao manoloana ireo zava-tsarotra samihafa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe