Ianareo no taratasiko

Mofonaina anio: Alarobia, faha 09 Aprily 2025

(Sal 117/Hira15:1,2,3,4/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira445:1,2)

2 Korintiana 3.1-6
1 [Ny amin'ny voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran'izay noho ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo? 2 Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra; 3 eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay* ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[*Na: soratanay; Gr. anompoanay] 4 Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy. 5 Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra, 6 Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.

Misy ny taratasy sy ny epistily fa misy koa ny atao hoe taratasy epistily filazan-tsoa. Raha nahavita fampianarana na fitoriana ny Filazantsara na fitaizana ny olona iray, ka hiala izy avy eo dia manoratra ny atao hoe epistily taratasy filazan-tsoa (jereo Asa 18. 27). Izany hoe nanantitrantitra ny asa nataony mba tsy ho raraka an-tany fotsiny.

Nisy Jiosy mpanaraka ny fivavahana jodaisma tonga tany Korinto, ka nanozongozona ny maha Apostoly an’i Paoly sy ny fampianarany. Nampirisika ny Korintiana hitaky izany amin’i Paoly izy ireo raha Apostoly marina tokoa i Paoly.

Nambarany mazava fa tsy noho i Paoly amin’ny maha Paoly azy, fa noho i Paoly irak’ Andriamanitra no nahafahany nitory ny Filazantsara sy nitarihany ny Korintiana ho amin’ny finoana marina ka hiala amin’ny fanompoan-tsampy sy ny fitondran-tena ratsy ary hanana fahatahorana an’Andrimanitra. Araka izany tsinontsinona izay heriny amin’ny maha izy azy. Ny valin-tenin’i Paoly noho izany dia izao:

Mety tsy ho feno ny taratasy mahazatra fanaon’ny olona satria mety ho sandoka na feno fanitarana fa ianareo kosa no taratasy nosoratanay izay fantatra sy vakin’ny olona rehetra.

Tsy neken’i Paoly ny hanoratra taratasy filazan-tsoa toy ny mahazatra, fa ny hany marina dia ny fahafantaran’ny Korintiana hoe: inona no niainany teo aloha sy ny ankehitriny. Tsarovy fa vakian’ny olona eny aminao izany maha kristiana anao izany, eny rehetra eny, ka izany no ilazan’i Paoly eto hoe: « Ianareo no taratasiko ».

Iza avy no lazain’i Paoly hoe taratasy filazan-tsoa?