Ny herin’ny Tompo, mamotika ao amin’ny indray mipi-maso
Mofonaina anio: Talata, faha 08 Aprily 2025
(Sal 138.4-8/Hira2:1,2,3/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 469:1)
Nomery 17.9-15
9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 10 Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy. 11 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana. 12 Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona. 13 Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. 14 Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora. 15 Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.Ny herin’ny Tompo, mamotika ao amin’ny indray mipi-maso
Fotoana kely monja izany indray mipi-maso izany. Ho an’ny olombelona dia tsy misy zavatra vitany mihitsy ao anatin’izany fotoana kely indray mipi-maso izany. Tsy mba tahaka izany kosa anefa Andriamanitra, satria niteny Izy eto hoe: haringako ao anatin’ny indray mipi-maso ireto olona maditra sy mafy hatoka ireto. Alaivo sary an-tsaina araka izany ny herin’Andriamanitra sy ny halehiben’ Andriamanitra mahavitra zavatra tsy takatry ny saina ao anatin’ny fotoana kely dia kely indray mipi-maso monja. Mahavita mifandringana ny olombelona noho ny tsy fifanarahany, ary mampiasa ny fitaovam-piadiana mahery vaika maro samihafa. Andriamanitra kosa teo amin’ny tantara dia nampiasa ny atao hoe « loza telo fandringanana », ary iray amin’izany ny areti-mandringana izay nampiasaina teto. Izany moa dia noho ny fahotana sy ny faharatsian’ny olona ihany, ka nahatonga ny fahatezerany; ary nahatonga Azy hanapa-kevitra handringana ny olombelona.
Manana vahaolana ho an’ny olona koa anefa Izy.
Na teo aza ny fahatezerany ka nitadiavany ny handringanana ny olona teto dia navelany hisy kosa ny fanavotana izay notenenin’i Mosesy ary notanterahin’ı Arona. Misy tokoa ireo maty, kanefa tsy voaringana daholo araka fahatezeran’ Andriamanitra akory ny olona rehetra satria nampiharina ny fanavotana. Ilazana izany fa amin’ny faharatsiana ataon’ny olona ka mahatonga ny fahatezerany dia mamela sísa hatrany Izy, mba hiheveran’ny olona sy hankatoavan’ny olona Azy amin’ny fiainana mbola sitraky ny Tompo omena azy.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny herin’Andriamanitra ao anatin’ny indray mipi-maso?
Sampana Sekoly Alahady Foibe