Halaviro ny filan’izao tontolo izao

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Aprily 2025

(Sal 136:1-9/Hira 7:1,3,4/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira392:1,3)

1 Jaona 2,15 - 17
15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. 16 Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. 17 Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Teo amin’ny tantaran’ny fivavahana sy ny tantaran’ny zanak’ olombelona dia nifandimby ary nankatoavina satria zary nibaiko ny fomba amam-panao ireto:

-ny fanahy izay niteraka ny fanitsiam-pivavahana teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Zava-dehibe tokoa no nentin’izany teo amin’ny sehatry ny fivavahana satria nanehoana ny maha izy azy ny Soratra Masina sy ny maha protestanta.

-ny saina izay nibaiko ny fivoarana maro samihafa ara-haitao sy ny teknolojia.

-ny vatana: Mariho fa tena ampitenenina ny vatana amin’ny fomba maro samihafa ary mitarika ho amin’ny filana maro samihafa izany. Eo anatrehan’izany dia hoy ny teny eto hoe aza tia izao totolo izao sy ny zavatra eto amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo, ny filan’ny maso, ny rehaka momba izao fiaianan izao…Mampahatsiaro mandrakariva ‘ny Soratra Masina fa mandalo ihany izany zavatra manodoka eto amin’izao tontolo izao fa tsy haharitra akory.

Inona åry no hatao eo anatrehan’izany zavatra izany? Tsy afaka ny hiaina amin’ny maha olona ny olona ve izany? Jesoa manokana dia efa nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny mpanara-dia Azy hoe: Izaho tsy mangataka Aminao mba hampiala azy eto amin’izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin’ny ratsy. Mila mahafantatra sy miala amin’ny ratsy ny Kristiana. y hahafahana manao izany dia ny fanarahana sy fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ilaina ve ny mandresy ny filan’izao tontolo izao?