Amin’izany andro izany…

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Aprily 2025

(Sal 96:1-6/Hira6:1,2,3/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira358

Daniela 12. 1-3
1 Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky. 2 Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. 3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.

Teny faminaniana milaza ny zavatra hisy any am-parany no ambaran’ny mpanoratra amin’ny hoe « amin’izany andro izany ». Mampiomana ny olona àry izany teny izany fa hisy farany izao zavatra rehetra izao. Amin’izany dia hisy ny zavatra mety tsy ho noheverin’ny olona hitranga, na tsy ampoizin’ny olona. Izany dia mampiomana sahady fa tsy ho tahaka izao hita izao hatrany akory no hisy eo amin’ny fiainan’ny olona any amparany

Raha ny zava-misy, moa tsy efa ao anatin’ny andro mampahory amin’ny lafiny maro samihafa ve isika izao? Koa mbola inona indray ilay andro fahoriana voalazan’ny faminaniana eto? Mazava anefa ny voalazan’ny teny eto fa andro fahoriana tsy mbola nisy tahaka azy hatramin’izay nisian’ny firenena mihitsy izany ka hatramin’izany andro fahoriana izany. Raha ny lalan-tsaina nandrafetana ity faminaniana ity kosa no dinihina dia ho maro dia maro ny olona ho faty ao anatin’ny fangirifiriana sy fanaintainana mafy indrindra ary tsy misy na iza na iza afaka hiala amin’izany akory afa-tsy ireo hita fa voasoratra anarana ao amin’ny Boky irery ihany (cf Apo 3. 5; 20. 12; 20. 15; 21. 27)

Ireo voasoratra anarana rehetra dia voalaza amin’ny teny hafa hoe « ireo Hendry ». Ny atao hoe hendry ao amin’ny Soratra Masina dia ireo izay mihevitra tsara izay ataony, ireo resy lahatra amin’ny finoany, ireo olona manompo marina an’Andriamanitra ka mamerina izay nania ho amin’ny fahamarinana indray. Voalaza eto hoe hamirapiratra izy ireo; izany hoe: hanana ny fiainany eo amin’Andriamanitra satria nahavita ny sitrapon’ Andriamanitra fony izy tety an-tany.

Inona no zavatra hitranga any am-parany?