Tsy mino ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ny olona
Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Aprily 2025
(Sal 105:1-5/Hira 146/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hiral42:1,2,3)
Lioka 24,1 - 7
1 Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. 2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. 3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo. 4 Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. 5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? 6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: 7 Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.Tsy mino ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ny olona
Handeha hanosotra menaka manitra ny fatin’ny Tompo ireto vehivavy maromaro, araka ny fomba fikarakaran’ny Jiosy ny faty rehefa misy izany. Tamin’io fotoana io dia efa nanomboka ny fotoanan’ny Sabata ka tsy afaka mikarakara izany zavatra izany ny olona; noho izany dia tsy maintsy niandry ny fotoana mety. Nony tonga teo amin’ny fasana izy ireo ka niditra tao am-pasana dia tsy nahita ny fatin’i Jesoa.
Very hevitra ny olona
Izay tiana hambara amin’ny hoe: « very hevitra » eto dia tsy nahita izay natao, tsy nahita izay hotenenina; tonga amin’ilay fiteny hoe toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona.
Ankoatr’izany, satria mbola tsy nisy tranga niseho tahaka izao namonoana an’i Jesoa izao, dia nihevitra koa izy ireo fa tena nataon’ny fahavalony ho very faty mihitsy ny Tompo. Izany hoe: fony velona Izy tsy nomen-drariny, maty Izy nefa mbola tsy nasiana hasiny koa. Izany rehetra izany no nahavery hevitra azy ireo.
Tamin’izay fotoana izay indrindra no niseho ny Anjely, ary niteny tamin’izy ireo ka nilaza taminy hoe: « Tsy ato Izy fa efa nitsangana, tsarovy ny teny izay izay nataony taminareo ».
Sarotra ny zava-mitranga nefa takiana hino ny olona
Efa nambaran’i Jesoa Kristy tamin’ny mpanara-dia Azy ny zavatra hitranga Aminy, dia ny hanatanteraka ny iraka nampanaovin’ Andriamanitra Azy hanavotana ny mpanota. Ho faty Izy amin’izany nefa kosa dia hitsangan-ko velona, satria handresy ny fahafatesana. Saingy tsy nino izany fitsanganan’ny maty izany mihitsy ny olona.
Fanontaniana:
Mino ny fitsanganan’i Jesoa avy amin’ny maty ve ny Kristiana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe