Fiantsoana ho amin’ny fibebahana

Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Martsa 2025

Sal 67. 1-5/ Hira 470: 1/ Mofonaina/Vavaka

Joela 2. 12-17
12 Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. 13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza, 14 Fandrao mba* hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo. [Heb. Iza no mahalala na] 15 Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina. 16 Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. 17 Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa*; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentinteny]

Izay fanao mahazatra teo amin’ny firenena Jiosy, ny fandrovitana fitafiana no matetika ho fanamarihana ny nenina. Tsy endrika ivelany toy izany anefa no tadiavin’ Andriamanitra momba ny fibebahana, ka nahatonga an’Andriamanitra niteny hoe: ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo (2. 13a). tranga mety hiseho eo amin’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ny tranga toy izao. Ny ivelany no imasoan’ny olona ho fantatry ny manodidina fa mibebaka izy, fa ny ao anatiny dia mifanohitra amin’izany. Miantso antsika ny Tompo, aza atao amin’ny endrika ivelany fa aoka ao anatiny (fo) no triatriaro.

Anisan’izay asongadin’ny Soratra Masina ao amin’ny Testamenta Taloha ny maha mpamindra fo sy mahari-po an’Andriamanitra (Eks 34. 6-7, Nom 14. 18) ho an’izay rehetra miverina ao Aminy amim-pahamarinana, ary afaka manafoana ireo loza efa nambarany Izy. Hiverina ho mahavokatra ny tany, ary azo atao ny manao fanatitra ho an’Andriamanitra sy hiravoravo, noho ny famindram-pony (2. 14). Izany no mampiavaka an’io Andriamanitra ivavahantsika io. Koa ho an’izay tena mibebaka marina tokoa dia hamindrany fo. Miantso antsika ny Tompo ankehitriny mba hibebaka, hivavaka sy hifady hanina, Izy anie hamindra fo aminao.

Aminao, mba mahazo famindram-po avokoa ve ny olona rehetra?