Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo satria
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Martsa 2025
Sal 71. 1-3/ Hira 332: 2, 1/Mofonaina / Vavaka
Apokalypsy 3. 14-22
14 [Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia] 15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao; 17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; 18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. 19 Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. 21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. 22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo satria
Ny Fiangonana tao Laodikia dia nanan-karena, nirehareha fatratra noho ny heriny sy ny fandrosoana. Na dia toy izany aza ny Fiangonana dia mampalahelo satria tena mihoampampana ny fahantrany ara-panahy. Tsy mangatsiaka na mafana ……matimaty, izany hoe miray volo amin’izao tontolo izao sady maka ny fomban-tany manodidina azy. Mihambo ho manara-dia an’i Kristy, kanjo hay tsy mahafantatra Azy akory, sady fadiranovana ara-panahy (and-17-18). Asain’i kristy amin-kitsim-po ny Fiangonana mba hibebaka sy hiverina amin’ilay finoana, fahamarinana, fanambarana ary fiombonam-pirahalahiana (and 18,19)
Na dia toy izany aza ny zava-nisy sy niseho teo amin’ny fiaraha-monin’ny Fiangonana tao Laodikia (Manankarena fa mahantra ara-panahy) dia mbola mijoro eo am-baravarana sy mandondona i Jesoa. Miala nenina amin’izy ireo, mangataka mba hiombom-po (latabatra) amin’izay rehetra mibebaka sy maharesy io toerana matimaty ara-panahy eo amin’ny Fiangonana io. Henoy ny feon’i Jesoa miantefa aminao, mba hiravoravoana amin’ny fifandraisana akaiky Aminy isan’andro. Ampandrosoy ao am-ponao Izy, hitoeran’ny fiadanana sy ny fiombonana marina ary ny fanavaozam-panahy ombam-pibebahana. Indro efa mitsangana eo am-baravarana ny Tompo, ampandrosoy Izy hanapaka ny fiainanao.
Fanontaniana:
Mba azonao ambara eo amin’ny Tompo ve ny momba anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe