Ny fomba enti-miady amin’ireo mpanohitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Martsa 2025
Sal 81. 1-4 / Hira 452:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka
2 Timoty 2. 22-26
22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, 26 ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony*. [* Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]Ny fomba enti-miady amin’ireo mpanohitra
Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy (DIEM). Izay ambara eto dia ny filan’ny nofo ao amin’ireo zatovo; araka ny ambaran’ny dikanteny sasantsasany. Manamarina izany ny ahitana andininy maromaro ato amin’ity Epistily ity, mampitandrina ny amin’ny fijangajangana, ny fahalotoam-pitondran-tena isankarazany manoloana ny ady amin’ny fampiaran-diso (2 tim 3.6). kanefa azo ilazana koa ny ady hevitra tsy mahasoa sy ny fanontaniana adaladala (2.16; 2.23) izay mety mitarika ho any amin’ny ady. Asaina mandositra izany isika.
Fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana. Hamafisina tsara ny hoe: fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Fomba ho enti-miady amin’ny mpanohitra tokoa ireo voalaza ireo ary azo tanterahina tsara. Antsoina ho amin’ny fibebahana isika mpino, raha toa ka tsy nitafy ireo toetra tsara ireo
3. Mananatra amin’ny fahamoram-panahy:
Tsy maintsy ho amin’ny fahalemem-panahy no hamaliana ireo fandranitana ataon’ny mpanohitra ny filazantsara izay toriana… misokatra ho azy ireo fampianarana ataon’I Timoty eto, ary mety ho tonga amin’ny fahatakarana ny marina ihany ireo mpanohitra ka hibebaka ho afaka amin’ny fandriky ny Devoly, izay manao haza sambo-belona hanarakany sitrapony. Tsy ny famaliana ny ratsy akory no hahatanteraka ny atao. Fa valio amin’ny soa ny ratsy. Asehoy eo anatrehany fa tsy mitovy aminy ianao.
Fanontaniana:
Mety eo amin’ny fiainana kristiana ve ny mamaly ratsy ny ratsy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe