Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 25 Martsa 2025

Sal 96. 1-4 / Hira 639: 1 / Mofonaina / Vavaka

Hebreo 6. 1-8
1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra, 2 ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. 3 Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra. 4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina 5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, 6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. 7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; 8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.

Tenin’Andriamanitra hain’ny be sy ny maro ny hoe: « Isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana fa naman ‘izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy » (Heb 10.39). Ny fihemorana amin’ny finoana (apostazia) dia adika ara-bakiteny hoe: miala amin’Andriamanitra, ary maneho ny fandaozana izay ninoana. Ny apostazia dia vokatry ny safidy malalaka sy an-tsitrapo hiala amin’Andriamanitra velona (3.12). ny olona miaina amin’izany dia tsy azo havaozina ho amin’ny fibebahana, satria nihemotra tamin’ny finoana. Fa miantso antsika ny Tompo mba tsy hihemotra, fa hiroso hatrany ho amin’ny famonjena ny fanahy, ary miantso antsika hibebaka Izy, handraisantsika ny fitahiana sy ny fanavotana ao amin’i Jesoa Kristy Tompo, ilay ivon’ny finoantsika.

Tian’Andriamanitra ny hitomboan’ny olona rehetra amin’ny fahalalana ny zanany dia i Jesoa Kristy. Mitaona antsika mpino ny mpanoratra mba handroso, ka hoy izy: « Aoka hilaozantsika ny abidiam-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso amin’ny tanteraka isika » (6.1a). Tsy ampy ny mijanona eo amin’ny tsy misy ahiana toy ny zaza; tokony handroso hisaina tahaka ny olon-dehibe isika, hitombo amin’ny fitomboana ara-panahy. Tsy handeha ho azy anefa izany, fa mila fahamatorana eo amin’izay androsoana, indrindra ny ara-panahy. Miantso ary ny mpanoratra amin’ny alalan’izao mofonaina izao mba handroso amin’izay inoana, tsy ho tratran’ny fihemorana, fa mandrosoa hatrany, ho marina eo anatrehan’ny Tompo ny fibebahanao.

Mahatsiaro ho mandroso ve ianao amin’ny finoana?