Fandrenesana ny filazantsara

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Martsa 2025

2 Korintiana 7.5-12

2 Korintiana 7.5-12
5 Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra. 6 Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy, 7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho. 8 Fa na dia nampalahelo anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany. 9 Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona. 10 Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao. 11 Fa, indro, izany nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany ianareo. 12 Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.

« Fa na dia nampalahelo anareo tamin’ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony… » (And. 8)

Heverina fa nisy Epistily hafa izay masiaka kokoa nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana. Nalahelo ny kristiana tao Korinto rehefa naharay io taratasy io. Nanitsy sy nananatra azy ireo mba handray ny filazantsara kanefa nahatonga alahelo ho azy ireo. Indraindray mivantana kokoa ny fampitana ny filazantsara, malahelo ny olona sasany raha mandre satria manitsy ny toetra ratsiny izay mbola tiany. Ary izany no mahatonga ny filazantsara antsoina hoe « sabatra roa lela ». Mety mahafaly mety miteraka alahelo ihany koa.

« Fa ny alahelo araka an’Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana… » (And. 10)

Ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny fandikana ny sitrapon’Andriamanitra. Asan’ny Fanahy izay mitarika ny olona ho amin’ny fibebahana izany. Fibebahana manafaka amin’ny ota sy manome antoka amin’ny fandovana ny fiainana mandrakizay. Ary tokony ho toy izany ny alahelon’ny kristiana mandre filazantsara. Alahelo mitarika ho amin’ny fialana amin’ny ratsy mifanohitra amin’ny filazantsara fa tsy sanatria ho tahaka ny alahelon’izao tontolo izany mitarika amin’ny fiavonavonana noho ny fahaverezan’ny tombotsoa manokana. Aoka ho tonga amin’ny fibebahana ny alahelonao avy amin’ny filazantsara.

Inona no efa nataonao rehefa nalahelo noho ny toriteny


Mofon'aina teo aloha

Josoa sy ny Fidiran’Andriamanitra am...

Zoma, 28 Febroary 2025

1. Manafa-tahotra amin’ny Teniny Andriamanitra Vaovao tsara no voarain’i Josoa manoloana ny ady atrehiny ka…

Andriamanitra Mpiandry ny Olony

Alakamisy, 27 Febroary 2025

Andriamanitra mampahery ny olona no hita amin’izao mofonaina izao ka ilazany fa ho avy Izy…

Ny herin’ny Tenin’i Jesoa sy ny fahe...

Alarobia, 26 Febroary 2025

Jesoa mampiseho ny heriny no resahina eto. Kapernaomy izay midika hoe tananan’i Nahoma na tanana…