Ny Andriamanitra maniraka mpaminany

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Martsa 2025

Ezekiela 14.1-8

Ezekiela 14.1-8
1 [Anatra ho an'ny mpanompo sampy, sy filazana ny hanjo azy] Dia nisy loholon'ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako. 2 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 3 Ry zanak'olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety hanontanian'ireto va Aho? 4 Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny olona rehetra amin'ny taranak'Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny, 5 mba hisamborako ny taranak'Isiraely amin'ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra noho ny sampiny. 6 Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. 7 Fa na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro; 8 ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin'ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

«… Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny, » (And. 4)

Tamin’ny andro nitondran’i Ezekiela mpaminany hafatra dia nirongatra ny fanompoan-tsampy teo amin’ny firenen’i Joda. Niala tamin’ny fahatokiana an’i Jehovah ny olona. Vokatr’izany, Andriamanitra mihitsy no nitsara ny vahoaka noho ny sampiny. Miteraka fitsarana sy famaizana avy amin’Andriamanitra ny fifikirana amin’ny sampy. Tsy avelan’Andriamanitra hilona ao anatin’ny fanompoan-tsampy ny vahoaka nofidiny. Atao hoe sampy izay rehetra ametrahan’ny olona ny fitokisana ivelan’Ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy. Koa minoa an’i Jesoa Kristy Tompo.

« Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. » (And. 6)

Nitaona ny taranak’i Isiraely hibebaka Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany. Ny atao hoe mibebaka eto, dia fiambohoana ny sampy ka mitodika manatrika amin’Andriamanitra. Hitaona ny vahoakan’Andriamanitra hiala amin’ny sampy no antony nanirahany ny mpaminany. Hiala amin’ny fanao ratsy rehetra ka hiverina amin’ny fivavahana sy ny fanompoana an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy. Ho anao izay mbola variana amin’ny fanompoan-tsampy, dia miverena amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hanananao fiainana sy fahavelomana.

Ahoana ny fomba hahafahanao miala amin’ny sampy?