Ny fahendrena

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Martsa 2025

Ohabolana 1. 20-23

Ohabolana 1. 20-23
20 [Fiantsoana sy fananarana ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; 21 Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe: 22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana? 23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.

Ny fahendrena eto dia maka ny endriky ny olona izay afaka miteny, miantsoantso. Eo anoloan’ny vavahady no iantsoany ireo variana amin’ny adalana, milomano ao anatin’ny adalana. Taomina sy antsoina hiala amin’ny adalana ireo olona ireo. Jesoa Kristy no tena fahendrena, dia ilay fahendren’ Andriamanitra. Jesoa Kristy no miantso ny olona hiala amin’ny adalana. Antso ho an’ireo olona izay mbola variana amin’ny faharatsiana sy ny adalana samihafa. Jesoa Kristy no feo miantso ny olona ho amin’ny famonjena. Ny fandrenesana ny toriteny no antson’i Jesoa Kristy mivantana amin’ny olona.

Rehefa avy niantso ireo variana amin’ny adalana ny fahendrena dia mitaona azy ireo hiverina hihaino ny fananarana avy aminy indray. Ka ny olona manana ny fanahin’ny fahendrena thany no mahalala ny teniny. Tsy halalala ny tenin’ny fahendrena mihitsy ilay olona raha tsy efa nandray ny Fanahy. Sarin’i Jesoa Kristy fahendren’ Andriamanitra mitaona ny olona hiverina armin’ny teniny izany. Mitaona antsika hiverina amin’ny fihainoana ny Teniny i Jesoa, llay fahendren Andriamanitra. Tsy ho tafaverina amin’ny fihainoana ny Tenin’i Jesoa anefa ny olona raha tsy efa nomena ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina, Izay Fanahin’i Kristy no mitarika ny olona hihaino ny teniny. Asan’ny Fanahy ampiverina ny olona amin’i Kristy.

Ahoana ny fomba hamalianao ny antson’i Jesoa Kristy?


Mofon'aina teo aloha

Josoa sy ny Fidiran’Andriamanitra am...

Zoma, 28 Febroary 2025

1. Manafa-tahotra amin’ny Teniny Andriamanitra Vaovao tsara no voarain’i Josoa manoloana ny ady atrehiny ka…

Andriamanitra Mpiandry ny Olony

Alakamisy, 27 Febroary 2025

Andriamanitra mampahery ny olona no hita amin’izao mofonaina izao ka ilazany fa ho avy Izy…

Ny herin’ny Tenin’i Jesoa sy ny fahe...

Alarobia, 26 Febroary 2025

Jesoa mampiseho ny heriny no resahina eto. Kapernaomy izay midika hoe tananan’i Nahoma na tanana…