Ny maha zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra sy ny fifaliana avy aminy
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Febroary 2025
Sal 33. 18-22 / Hira 16.1, 3/ Mofonaina / Hira 20 1,3
Salamo 119. 41-48
41 [VAO] Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. 42 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao. 43 Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. 44 Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria. 45 Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko. 46 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra. 47 Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny. 48 Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.Miantso ny famindrampon’ Andriamanitra ny mpanao Salamo satria fantany fa mifamatotra amin’ izany ny famonjena araka ny Tenin’ny Tompo. Mamonjy ny Tenin’Andriamanitra ka:
1. Manafa-tahotra
Ny Tenin’ Andriamanitra no itokiana manoloana ireo fahavalo. Tsy mamerina ireo teny ratsy izay ambarany na manaraka ny teny feno fitaka sy lainga mety ho lazaina ihany koa. Tsy mora koa anefa ny mandaha-teny manoloana ny fahavalo. Ny Tenin’ Andriamanitra, teny tsara sady mamy, teny marina, feno fahasoavana, izany no atolotra ireo mitsangana ho fahavalo. Jesoa Kristy dia nampianatra fa tokony ho tia na dia ny fahavalo aza. Tsy fisainan’ny kritiana rahateo ny mamaly ratsy ny ratsy. Hoy i Paoly Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy (Rom 12, 21)
2. Iravoravoana
Maneho fahavonona hitandrina ny lalån’ Andriamanitra ny mpanoratra (And.44). Antenainy fa hitondra fanahafahana sy antoka ho azy izany ka hananana fahasahiana, tsy amin-kenatra, hijoroany vavolombelona eo anatrehan’ny manam-pahefana. Ny asa rehetra tanterahiny dia hifanaraka mandrakariva amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra no manosika azy hanao izany rehetra izany ka hiteraka fifaliana ary ho tonga firavoravoana ho azy. Ny Tenin’Andriamanitra no loharano tsara indrindra hanorenana ny fifaliana satria maharitra mandrakizay, Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona (Mat 24.33)
Fanontaniana
Nahoana no be fanahiana ny olona ankehitriny ka tsy manam-pifaliana intsony, eny fa na dia ny kristiana aza?
Sampana Sekoly Alahady Foibe