Fiderana sy fahatokiana an’Andriamanitra rehefa mandray ny soa avy amin’ny Teniny
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Febroary 2025
Sal 117 / Hira 171 : 1, 3 / Moforaina / Hira 332 : 1
Salamo 138,1 - 8
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany, izay mbola heken'ny mpanjaka rehetra] Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao. 2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra. 3 Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. 4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy. 5 Eny hihira ny amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah. 6 Fa na dia avo aza Jehovah dia* mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.[Na: Fa avo Jehovah ka] 7 Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. 8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.1. Midera an’Andriamanitra
Miantomboka amin’ny teny hoe midera Anao » ity Salamo ity. Maneho ny fikasana tsara ao anatiny ny mpanoratra fa te hidera an’Andriamanitra izy ary amin’ny fo tokoa fa tsy an-tendro-molotra fotsiny ihany. Ary tsy mba nafeniny izany fa hasehony mihanbary manoloana ireo andriamani-tsy izy. Manandratra an Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra rehetra sy izay heverin’ny olona fa andriamanitra mahavonjy azy. Ary tsy izy ihany no tiany hidera fa ny mpanjaka namany ihany koa.
Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny fiderana Azy amin’ny fo madio tsy mihatsaravelatsihy. Ny Fiangonana dia toerana iray natokan’ny mpino rehetra hiderana sy hanomezana voninahitra an’Andriamanitra.
2. Tsy mivadika amin’ny Teniny Izy
Tamin’ny fahasahiana no nideran’ny mpanoratra șatria tsapany loatra ny fahatsaran Andriamanitra tamin’ny misitrahany ny famindrampon’ny Tompo sy ny fahamarinany. Tamin’ny fotoana sarotra nolalovana dia tsy nahatsiaro ho irery satria nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany (And.3). Ireo toky sy teny fampanantenana dia tanteraka tokoa. Toa tsy lavitra azy ny fahavalo, izay anatin’ny fahatezerana ary mikendry handavo azy saingy niaro azy Andriamanitra. Ilay toe-draharaha mampitebiteby sy mampatahotra teo nivadika ho fifaliana satria nandray famonjena noho ny Tenin’Andriamanitra.
Marina sy tsy miova ary azo antoka ny Tenin’Andriamanitra ka anantenana valim-bavaka mandrakariva. Vokany, hitoetra amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra hatrany ny mpino (And.7-8).
Fanontaniana:
Nahoana no misy tsy mahatsiaro midera an Andriamanitra kanefa mandray zava-tsoa avy amin’ny Teniny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe