Fahafatesana resy, Fiangonana velona, ary herin’ny Tenin’i Jesoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Febroary 2025
Sal 66, 8-12/Hira 141 :1,5/Mofonaina/Hira 486 :1,5
2 Timoty 2.8-13
8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, 9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; 13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.Mifampahery ny samy mpanompon’Andriamanitra sady mpanompon’ny teny. Mampianatra ny zoky fa hisedrana olana ny fanompoana ary tsy mahaketraka izany noho ilay Mpandresy dia Jesoa. Toriana hatrany ny teny mba ho tsaroan’ny olona fa:
1. Nandresy ny fahafatesana i Jesoa (And.8)
Fahavalo tsy hain’ny olona resena vokatry ny fahotany sy ny fandaozany an’Andriamanitra ny fahafatesana. Tsy manana vahaolana manoloana ny fahafatesana, satria hiharan’izany fotsiny ny olombelona. Tsy namela antsika ho resy anefa ny Tompo na faly hahita ny fahaverezantsika fa indro nasehony tao amin’i Jesoa fa izay tsy resintsika dia resiny. Nitsangana ho velona izy ary nasehony ho hitan’izao tontolo izao izany.
Aloky ny fahafatesana ny ety an-tany fa tsarovy fa an’Andriamanitra ny fahefana rehetra.
2. Tsy ny fahafatesana no tompon’ny teny farany (And.11)
Mety mahaketraka tokoa ny ady atrehana ety an-tany, koa na ny mino aza rehefa misedra olana samihafa dia toa milofika. Raha mamaky izay niaretan’i Paoly tamin’ny asa fitoriana izay heverina fa hitondra fifaliana dia mahadiso eritreritra. Kanefa tafajoro hatrany izy noho ny fanantenany fa velona i Jesoa izay Tompoiny. Mitory hatrany izy, na dia hahafaty aza, mba ho ren’ny olona rehetra fa ny fahafatesana dia resin’ny mino an’i Jesoa. Ny Tenin’Andriamanitra no tsy mety voafatotra, ary izany teny izany no hanafaka ny olona izay mbola mifatotra.
Tsarovy àry fa marina amin’ny Teniny ny Tompo. Koa aza ketraka mitory ny teny fa ny Fiangonana no mijoro ankehitriny dia velomin’ny tenin’i Jesoa velona.
Fanontaniana:
Mbola mifampahery marina ve ny samy mpitory filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady Foibe