Ny Voa Nafafy sy ny Fandraisana ny Teny
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Febroary 2025
Sal 95, 6-11/Hira 164/Mofonaina/ Hira 432.1
Matio 13. 10-15
10 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? 11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] 12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy. 13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala. 14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita; 15 Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).Teny taorian’ny fanoharana ny voa nafafy izao mofonaina izao. Misy ireo tsy nandaitra ary misy koa ny nandray tsara ny voa. Toriana sy afafy hatrany ny teny fa tsy maintsy hisy ireo:
1. Handray sy hankato ary hitombo (And.11)
Raha ny fampianaran’i Jesoa eto dia mazava fa misy olona efa tena natao handray ny teny fiainana, ka mandaitra aminy izany. Tsy hoe mandaitra fotsiny ihany fa tena mitombo amin’ izany izy ary mahalala hatramin’ny zava-miafina momba ny fanjakan’ Andriamanitra.
Nifidy olona ho amin’izany i Jesoa, anisan’izany ireto mpianany izay nanaraka azy hatrany ka tsy nivadika. Nitombo ny teny ka nanana be izy ireo ary afaka nizara. Mila olona tahaka izany ny Fiangonana hamafy ny teny tsara ho an’ny rehetra fa maro no mbola tsy mahalala ankehitriny.
2. Hanamafy ny fony (And.14)
Misy karazan’olona izay ambaran’i Jesoa fa tsy mandray ny teny, mafy fo ka tsy miova na manova ny fanao na dia mandre ny teny aza. Amin’ny fotoana sasany, izay efa norenesiny aza dia mety tsy hotsaroany akory. Ny Fiangonana dia mahatsiaro ny fisian’izany. kanefa Andriamanitra ihany no tena mahalala izay ao am-po. Tsy mahazo ketraka noho izany anefa izay mitory fa na i Jesoa aza dia mbola miala nenina (And.15) ary mbola manaiky hanasitrana azy.
Toriana hatrany ny Teny. Lazaina ho ren’ny olona rehetra ny filazantsara, fa izany no antom-pisian’ny Fiangonana. Mahazo tombony ireo izay efa mandray sy mankato fa entina am-bavaka ihany koa ireo tsy mety mihaino mba hiova ka hibebaka.
Fanontaniana:
Nahoana no tsy mitoetra anatin’ny mino ny Teny reny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe