Fiverenana amin’Andriamanitra sy Fahamarinan’ny Teniny
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Febroary 2025
Sal 96, 11-13 / Hira 354: 1,4 / Mofonaina / Hira 460: 1.2
Isaia 55,6 - 13
6 Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. 7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. 8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. 9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. 10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka] 11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. 12 Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana. 13 Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra* ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]Sal 96, 11-13 / Hira 354: 1,4 / Mofonaina / Hira 460: 1.2
Isaia 55.6-13
1. Raisin’Andriamanitra izay hiverina Aminy
Fanasana, antsoantso, eny toa baiko koa aza, mba hisitraka ny fahasoavan’ Andriamanitra no hita eto (And.1-7). Ny fibebahana amin’ny fahotana no làlana hiverenana indray amin’ Andriamanitra, fahafoizana tanteraka ny fanao ratsy rehetra. Efa miandry fatratra ny Tompo satria eo anilantsika Izy ka mandondona ny fontsika. Misy fetra anefa ny famaliana izany antso izany, ampiasaina ny teny hoe: « dieny mbola ». Na izany aza dia tena vonona handray tokoa Izy satria hamindrafo amin’izay rehetra mibebaka.
Fotoanan’ny famindrampon’ Andriamanitra izao, koa miverena ary aza mangataka andro intsony. Hoy Jesoa: « Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very. » (Lio 19,10)
2. Izay ambaran’Andriamanitra dia tanteraka.
Oharina amin’ny ranonorana sy ny orampanala ny Tenin’ Andriamanitra ka miasa (And.10) ary miafara amin’ny fahazoan’ny olombelona sakafo fihinana. Araka ny fiheviny sy ny fombany no hahatanterahan’ny Tompo ny fampanantenany. Ny And.12 sy And 13 dia ahitana izany sahady fa tanteraka ny famonjena ka hanana fifaliana sy fiadanana ny olony.
Izay nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany dia tanteraka avokoa izany. Jesoa Kristy izay nampanantenaina dia tongo nofo hamonjy izao tontolo izao. Koa tano amin’ny finoana ny fampanantenany hamelona anao. «Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoaviny?» (Nom 23, 19)
Fanontaniana:
Nahoana no misy ihany ireo mbola misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe