Ny vokatsoa azo avy amin’ny Tenin’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 18 Febroary 2025

Sal 98, 1-3/ Hira 205 :1.4/ Mofonaina/Hira 461:1,6

Salamo 119,105 - 112
105 [NONA] Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao. 106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany. 107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. 108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. 109 An-tenda* ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako] 110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho. 111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany. 112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.

Sal 98, 1-3/ Hira 205 :1.4/ Mofonaina/Hira 461:1,6

« Fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny lalako ny teninao. » (And.105). Asa roa indray miaraka по vitan’ny Tenin’Andriamanitra eto: mitsilo ny lavitra ary manazava ny akaiky ao anaty haizina. Vokany, toerana azo antoka no ametrahana ny tongotra rehefa mandeha ary tsy ho latsaka anaty lavaka mihitsy na dia mametraka fandrika aza ny fahavalo. Noho izany dia hahavita lalan-davitra izay manana ny Tenin’ Andriamanitra.

Izay miara-dalana mandrakariva amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mahazo antoka ny ankehitriny ary tsy manana ahiahy amin’ny hoavy. Jesoa Kristy ilay Teny tonga nofo te hiara-honina amintsika manome toky ny ankehitriny sy ny mandrakizay

« Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao satria fifalian’ny foko izany. » (And.111). Hita amin’izao Soratra Masina izao fa tsy mora ny fijoroana vavolombelona amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, toy ny mitondra fahoriana mihitsy aza. Eo anatrehan’izany no anehoana ilay safidy tsara, hirakitra mandrakariva ao am-po ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny lova, izay anjara tsy azo esorina intsony. Vokany, ilay fahoriana teny am-piandohana hivadika ho fifaliana tsy azo ravana. Ary anehoam-pahavonona fa hankato hatramin’ny farany. Izay manana fo feno ny Tenin’Andriamanitra dia hanam-piadanana na hamafy fanakiviana aza izao tontolo izao.

Mba tsapanao ve ny hamamin’ny Tenin’Andriamanitra?