Ity famantarana voalohany nataon’i Jesoa dia marmpianatra antsika fa:

Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Febroary 2025

Sal 128. 1-6/ Hira 531: 1, 3/ Mofonaina/ Vavaka

Jaona 2.1-12
1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy. 2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady. 3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy. 4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. 6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata* avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. [*Gr.metatra] 7 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8 Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. 9 Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy 10 ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo] 11 Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. 12 Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.

Ity famantarana voalohany nataon’i Jesoa dia marmpianatra antsika fa:

« Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i Jesoa taminy: tsy manana divay izy » hoy ny fitantarana eto. Maneho amintsika izany, fa tena azo iantorahana sy azo antenaina tokoa i Jesoa, tsy diso safidy mihitsy i Maria raha nilaza ny zava-misy taminy, sady tsy nanana fisalasalana kely akory izy. Ity farany rahateo efa nahalala hatrany am-bohoka fa zanak’ Andriamanitra, tonga nofo i Jesoa, noho izany mahefa ny zavatra rehetra Izy. Ento eo amin’i Jesoa ny olanao! Misy vahaolana ao Aminy.

Manoloana ny fithetsik’i Maria dia nilaza i Jesoa hoe: « …tsy mbola tonga ny fotoako » (and 4). Entin’i Jesoa milaza izany, fa tsy anjaran’ny olombelona ny hibaiko na hanery an’i Jesoa tsy maintsy hanatanteraka izay tadiaviny eo no ho eo. Azontsika atao, ary tena tokony ataontsika tokoa ny mitondra izay manavesatra antsika eo amin’i Jesoa, kanefa tsarovy fa masi-mandidy izy ka manana ny fotoany!

« Ary hoy i Jesoa taminy: tovozy amin ‘izao…« . Baiko mazava no nomen’i Jesoa ho an’ireo mpanompo ny hamenoana rano ireo siny vato enina, ary rehefa feno dia tovozina avy eo. Rehefa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny Tenin’i Jesoa izy ireo, dia nahita maso ny fidiran’i Jesoa an-tsehatra ka nanova ny rano ho divay, ary tsy vitan’izany fa mbola divay faran’izay tsara karazana mendri-panajana ny olona nasaina no teo. Ampianarina antsika eto ary fa izao, tsy mahita ny herin’i Jesoa sy ny voninahiny isika raha tsy mino sy mankato ny teniny. Indraindray anefa, ny saintsika sy ny lojikantsika no henointsika ka sady misalasala isika no be fanotaniana hoe: hainy tokoa ve?

Aiza ianao no miantoraka amin’ny endrika olana atrehinao?