Fanajana sy Fitiavana ao amin’ny Ankohonana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Febroary 2025

Sal 103. 1-5 / Hira 3: 1 / Mofonaina / Vavaka

Efesiana 6,1 - 4
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), 3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16). 4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.

Mitodika amin’ny ankohonana rehetra ny Tenin’Andriamanitra anio ka mampianatra, fa ao amin’ny Tompo:

Izao no voasoratra: « Anaka, maneke ny ray sy reninareo ao amin’ny Tompo« . Azo andikana io teny hoe maneke io koa ny teny hoe mankatoava, raha hitarina kokoa dia hoe mihainoa anatra fa aza mikiribiby raha atoro na ahitsin’ny ray aman-dreny, ny antony dia tsotra, satria ny ray aman-dreny matoa miteny sy mananatra dia mikendry ny hahasoa sy hahatsara ny hoavin’ny zanany. Tsy misy ray aman-dreny manolo-bato mafana ny zanany (Mat 7. 11) na oviana na oviana. Ary ambonin’izany, dia ambara eto koa fa loharanom-pitahiana (mahela velona) ny fanajana ray aman-dreny, didin’ Andriamanitra rahateo izany (Eks 12.20; Deo 5. 16); koa andeha ankatoavina.

Hoy i Paoly hoe: « Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy« . Tsy hanampatra fahefana amin’ny zanany akory no andraikitry ny ray aman-dreny, na hanao didiko fe lehibe; koa raha nisy nampalahelo ny zanakao izay teny sy fihetsika nataonao dia aza misalasala mifona aminy, satria mety mba diso amin’ny zanany koa ny ray aman-dreny. Fa andraikitra apetraka amin’ny ray aman-dreny indrindra koa ny manafay ny zanany (Oha 19, 18) mba hanitsiana ny diany ary hisakanana azy tsy hizotra mankany amin’ny fahaverezana; koa tsy tokony hikenakena zanaka isika, fa tena porofom-pitiavana lehibe ny famaizan-janaka. Fitaizan’ Andriamanitra ny zanany teo amin’ny tantara izany (Bokin’ny Mpitsara, Fahababoana…), ary faka tahaka ho antsika koa!

Hatraiza ny fampiharanao (-nareo) ireo hafatra roa loha ireo?


Mofon'aina teo aloha

Fitoeran’ny Tenin’i Kristy sy ny Fia...

Alarobia, 12 Febroary 2025

1. Ampitoero ao aminao ny Tenin’i Kristy (and 16) Mitaona ny Kristiana tao Kolosia i…

Tantaran’ny nitsanganan’i Jesoa tami...

Talata, 11 Febroary 2025

Tantaran’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ny mofonainantsika anio. Ampitain’io tantara io amintsika fa Velona tokoa…

Andriamanitra: Fitiavana, Fahamarina...

Alatsinainy, 10 Febroary 2025

Sal 133 / Hira 190:1 / Mofonaina / Vavaka Gen 21:9-19 Ity tantara raketin’ny anjara…