Fitoeran’ny Tenin’i Kristy sy ny Fiainam-pianakaviana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Febroary 2025
Sal 145. 1-5/ Hira 170: 1/ Mofonaina / Vavaka
Kolosiana 3,16 - 21
16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra. 17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany. 18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. 19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra* aminy. [* Gr. mangidy] 20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany. 21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.1. Ampitoero ao aminao ny Tenin’i Kristy (and 16)
Mitaona ny Kristiana tao Kolosia i Paoly hoe: « Aoka ny Tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo…« . Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia izao: aoka hanjaka ao anatinareo i Kristy, izay tsy iza fa Tenin’ Andriamanitra tonga nofo rahateo, fa rehefa manjaka ao Izy, dia mahay mifanitsy sy mifampahery amin’ny fo madio tsy misy fitaka ny samy Kristiana. Afaka mifampianatra sy mifananatra satria tena iray ihany ao amin’ny Tompo.
2. Ataovy amin’ny anaran’i Jesoa ny zavatra rehetra
« Ary na inona na inona no ataonareo na amin’ny teny na amin’ny asa dia ataovy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo izany rehetra izany » (and 17) hoy ny hanohizan’i Paoly ny fitaomana ataony. Raha hitsiana izany dia izao, ny anaran’i Jesoa hatrany no tokony hialoha lalana amin’ny zavatra rehetra, tsy ny herin’ny tena na ny fahaizana amam-pahalalana, na izay harena eo am-pelatanana no hitokiana, fa ny anaran’i Jesoa ihany. Midika mantsy izany, fa apetraka amin’i Jesoa ny zavatra atao rehetra!
3. Arindrao ny fifandraisana amin’ny ankohonana
Raha manjaka ao anatin’ny olona ny Tenin’Andriamanitra dia hahay hamboatra sy hanatsara ny fifandraisany amin’ny ankohonany izy (and 18-21), ka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, ny lehilahy ho tia ny vadiny, ny zanaka hanaja ray aman-dreny ary ny ray aman-dreny tsy hanome alahelo ny zanany. Tsy zavatra vitan’ny herin-tsain’ olombelona izany, ary tsy mirindra izany fifandraisana izany raha tsy ny Tenin’Andriamantira mitoetra ao anaty no ankatoavina sy avela hitarika amin’ny teny aloaky ny vava, sy ny fihetsika mety hatao!
Fanontaniana
Hatraiza ny anjara toeran’ny Tenin’i Kristy ao aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe