Andriamanitra: Fitiavana, Fahamarinana ary Fiahiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Febroary 2025
Sal 133 / Hira 190:1 / Mofonaina / Vavaka
Genesisy 21,9 - 19
9 Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama. 10 Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka. 11 Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany. 12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao. 13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy. 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba. 15 Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza. 16 Dia lasa izy ka nipetraka ter? lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany. 17 Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany. 18 Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy. 19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.Sal 133 / Hira 190:1 / Mofonaina / Vavaka
Gen 21:9-19
Ity tantara raketin’ny anjara mofonainantsika ity dia mampiharihary amintsika fa Andriamanitra dia:
1. Tsy tia fifandirana (and 12)
Tsy navelan’Andriamanitra hifanditra na hikorontana пу na tokantranon’i Abrahama, na ny fifandraisan’i Saraha sy Hagara, na ihany koa ny ho fifandraisana eo amin’i Isaka sy Isimaela; ka hoy izy tamin’i Abrahama: « fa izy rehetra lazain’i Saraha aminao dia ekeo ny teniny ». Misoroka ady sy korontana ny Tompo, tsy sitrany izany, ary tokony ianarantsika Aminy koa io toetra io.
2. Mihazona ny fampanantenany (and 12)
« Fa avy amin’i Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao » hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama. Maneho izany, fa tsy mivadika amin’ny teny efa nomeny sy ny fikasana efa nampanntenainy an’i Abrahama Izy; na dia teo aza ny fahalemena sy tsy fahatanterahan’itsy farany! Ary izany no mahafinaritra amin’io Andriamanitsika io, tsy miankina amin’ny maha tsy tanteraka antsika ny hihazonany ny Teniny! Mihoatra noho izany aza, manokatra lalana hamonjena hahatanteraka ny fikasany Izy!
3. Mitsinjo ny tsy manan-tsiny (and 13)
« Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia ataoko tonga firenena… ». Hitantsika taratra eto koa fa tsy hoe dia narian’Andriamanitra akory i Hagara sy Isimaela indrindra indrindra, fa noheveriny manokana ny momba azy ireo. Sady marefo no tsy manan-tsiny rahateo i Isimaela, tsy navelan’Andriamanitra ho fatin-ketaheta tany an’efitra izy fa novonjeny ka nidirany an-tsehatra ny fiaianany. Manamafy izany ny voasoratra hoe: « Jehovah manome rariny izay rehetra ampahoriana » (Sal 146. 7)
Fanontaniana
Manoloana ireo voalaza ireo, tokony hanao izany isika Kristiana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe