Ampianarin’ny olon-kendry isika anio mba:
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Febroary 2025
Sal 90. 1-5 / Hira 194: 1 / Mofonaina / Vavaka
Ohabolana 3.1-12
1 [Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; 2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao. 3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka, 4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao. 5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; 6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, 7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. 8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. 9 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; 10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao. 11 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany; 12 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.Ampianarin’ny olon-kendry isika anio mba:
1. Hitandrina ny Tenin’Andriamanitra (and 1)
Hoy ny olon-kendry hoe: « Anaka, aza mandino ny lalako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko ». Tiany ahasinkasina amin’izany fa tsy ampy ny hoe mpihaino na mpamaky ny Tenin’Andriamanitra fotsiny, fa tokony ho tonga amin’ny fandatsahana izany ao am-po ary ho tonga amin’ny fankatoavana ihany koa indrindra indrindra. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, mahazo laka, ka mamoa eo amin’ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra; tonga ivelomana, araka ny Tenin’i Jesoa hoe: « tsy mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra » (Mat 4. 4) Maty antoka isika raha nahavaky ny Baiboly manontolo indroa na intelo ao anatin’ny taona aza, kanefa tsy ankatoavintsika akory izay ambarany.
2. Fa antoky ny fitahiana izany (and 2)
« Fa andro maro sy taona ela iainana, ary fiadanana no hanampiny ho anao ». Io andininy io dia milaza ny amin’ny tombontsoan’ny olona mankato ny Tenin’Andriamanitra. Raha ny Testamenta taloha no asian-teny, dia mariky ny fitahian’Andriamanitra ny fahelavelona; ary tsy eto ihany no ahitantsika izany fa any amin’ny pentatioka ihany koa (Eks 20; Deo 5 sy ny hafa koa), sy amin’ny boky hafa. Fa ambonin’izany koa, tsy hoe fahelavelona fotsiny ihany no voaresaka eto, fa sady misitraka taona maro, ary taona maro ao anaty fiadanana. Io fiadanana dia azo adika koa hoe fihavanana sy fandriampahalemana. Io fiadanana io koa no nomen’i Jesoa ho an’ny mpianany; ary omeny antsika mino Azy sy Mankato ny Teniny; hoy indrindra ny Tompo hoe: « Fiadanana…ny fiadanako no omeko ho anareo »
Fanontaniana:
Mitondra inona ny fankatoavana ny Tenin’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe