Ny andrasana amin’ny olom-boavonjy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Febroary 2025

Sal 150 / Hira 167:1 / Mofonaina / Vavaka

Salamo 40,1 - 10
1 [Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. 2 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. 3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah. 4 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga. 5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina. 6 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady* ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao] 7 Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy. 8 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko. 9 Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala. 10 Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.

Velom-pisaorana an’Andriamanitra ny mpanao salamo eto, noho ny namonjen Andriamanitra azy, ary tsy fisaorana ihany aza, fa maneho ny fahavononany hankato ny Tenin’Andriamanitra ihany koa izy. Ahasinkasiny ao anatin’ny tononkirany ary fa ny olom-boavonjy dia:

« Niandry dia niandry an’i Jehovah aho…dia nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy… » hoy ny mpanao salamo. Asehony miharihary amin’izany fa ny famonjen’Andrimanitra resahiny dia tsy tantara ren’ny sofiny na koa lovan-tsofina nampitaina taminy, fa tena traikefa niainany, tena fidiran’Andriamanitra an-tsehatra azony notsapain-tanana. Nanavotra ny ainy Andriamanitra; ary io fanavotana io no ijoroany vavolombelona ato anatin’ny tononkirany.

« Ny hanao ny sitraponao Andriamanitra ó no sitrako… » hoy hatrany ny tononkira eto; maneho ny fahavononana sy faharesen-dahatry ny olom-boavonjy hanaja sy hankato ny mpanavotra azy, ka hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy teren’Andriamanitra akory izy eto, fa nahim-pony madiodio no itenenany. Azontsika hisintonana ihany koa izany fa ny olom-boavonjy ihany no mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra tsy mila terena (Jao 4.34)

« …Indro ny molotro tsy mba nakomboko…tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonana lehibe aho ». Misongadina eto. Koa fa tsy mitana ny famonjena ho azy irery, fa mizara izany amin’ny hafa ny mpanao Salamo. Taomina ianao, ambarao amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo taminao, hinoan’ny hafa koa!

Ahoana no iainanao ny maha olom-boavonjy anao?