Asongadin’i Paoly eto fa, i Kristy no ivon’ny zavatra rehetra satria:

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Febroary 2025

Sal 96. 1-4 / Hira FF 13 / Mofonaina / Vavaka

Efesiana 1.7-14
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, 10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray] 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova] 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo. 13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.

Asongadin’i Paoly eto fa, i Kristy no ivon’ny zavatra rehetra satria:

« Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika araka ny haren’ny fahasoavany » hoy ny voasoratra eto. Abaribarin’izany teny izany fa ny sorona nataon’i Jesoa no mahatonga antsika hahazo famonjena ka nampihavana antsika tamin’Andriamanitra indray, raha efa very noho ny heloka amam-pahotantsika isika. Koa andeha tsy hohamaivanina izany fanoloran-tena tsy manam-paharoa izany, fa andeha asiana vidiny, ka horaisintsika ho antsika! Raha lazaina amin’ny teny hafa koa anefa dia izao, ivelan’i Kristy dia tsy misy fanavotana na famonjena azontsika antenaina, na dia kely monja aza.

« Ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan ‘izay mahefa ny zavatra rehetra ». Na i Paoly Apostoly izay manoratra eto, na ny Kristiana tao Efesosy izay andefasany izao taratasy izao, dia lazainy fa samy ao amin’i Kristy avokoa, rehefa nandre ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena…rehefa nino. Ka vokatr’izany dia nahazo ny Fanahy Masina; izay lazain’i Paoly rahateo fa santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany. Rehefa nandray ny filazantsara, izay nitoriana an’i Kristy tamintsika isika, dia tonga mpiray lova amin’i Kristy koa, misitraka ny fifalian’ny olom-boavonjy ary manana anjara feno ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, hany ka tsy diso anjara amin’ny fiainana mandrakizay izay efa nomanin’ny Tompo ho an’ny mino Azy rahateo!

Ahoana no ahazoana miaina ireo hafatra voalaza ireo?