Andriamanitra: Miteny, Mitia, Mifandray amintsika
Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Febroary 2025
Sal 100. 1-5/Hira 207: 1/ Vavaka/Mofonaina/Vavakal Hira 207: 2,3
Zakaria 8.1-8
1 Ary tonga ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy Aho. 3 Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina. 4 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany; 5 ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe. 6 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho; 8 ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.1. Miteny amintsika mandrakariva (and 1)
« Ary tonga ny Tenin’i Jehovah… » hoy ny filazan’i Zakaria azy eto. Miverina in-dimy ny filazana hoe « izao no lazain’i Jehovah ». Midika izany, fa tena tsy mitsahatra miteny amintsika, mampahafantatra antsika ny sitrapony tiany arahintsika Andriamanitra, na ny fikasany tiany ampitaina amintsika, na ihany koa ny drafi-pamonjena tiany tovina ho famonjena antsika. Zava-dehibe izany, koa atongilano ny sofintsika hihaino izay tian’ny Tompo ambara. Fa mbola nampiteneniny tamintsika ihany koa i Jesoa zanany, mba tsy hahadiso lalana antsika.
2. Tia antsika amin’ny fitiavana tsy miova (and 2)
« Saro-piaro dia saropiaro an’i Ziona Aho… » hoy ny Tompo eto. Midika izany fa tian’Andriamanitra ary tsy foiny ny olony fa koa sady tsy ariany no tsy foiny koa; ny dikan’ny anarana hoe Zakaria rahateo dia hoe: Mahatsiaro Jehovah; izany hoe tsy manadino ny olony mihitsy Andriamanitra, ary na inona na inona nataon’ny olony, dia tiany sady sitrany avotana hatrany, na dia kapohiny mafy aza amin’ny fotoana sasany, dia mbola fitiavana ihany no ambadik’ireny.
3. Te hifandray amintsika (and 8)
« Dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny », io no endri-pifandraisana tian’i Jehovah ifandraisana amin’ny olona. lo no mampiharihary, fa Andriamanitra miadidy, miaro, mitahy ny olony ary momba azy mandrakariva, ary ny olony kosa dia hanompo sy hanaja Azy amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra. Andraikitr’Andriamanitra ny mamonjy ny olony, ary efa nataony izany (Jao 3. 16), fa anjaran’ny olona kosa ny mandray ny fanavotany!
Fanontaniana
Ahoana ny fisehon’ireo hafatra ireo eo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe