Ny andraikitry ny mpisorona
Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Janoary 2025
Sal.124.1-8 / Hira 3. 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305. 1-2
Levitikosy 13, 9-17
9 Raha misy habokana amin'ny olona, dia ho entina any amin'ny mpisorona izy; 10 ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina, 11 dia habokana efa ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto. 12 Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona, 13 ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio. 14 Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy. 15 Ary raha zahan'ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany. 16 Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy; 17 ary raha zahan'ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.Ny andraikitry ny mpisorona
1. Mamaritra ny teo-batan’ny marary
Nisy ny atao hoe lalàn’ny fahadiovana teo amin’ny fiaraha-monina sy ny fombam-pivavahana niainan’ny Jiosy tamin’izany fotoana. Ny olona izay marary dia nentina nanatona mpisorona mba ho zahana mba hahafahany mamaritra na maloto ilay olona (tratran’ny habokana) na madio ilay olona (sitrana). Natokan-toerana mantsy ny olona tratran’ny habokana tamin’izany satria dia noheverina ho efa mitovy amin’ny maty mihitsy. Ny andraikitry ny mpisorona kosa dia ny mizaha tsara ilay marary ka mamaritra na madio na maloto izy mba hahafahana manapa-kevitra na hatokan-toerana na tsia. Izany no maneho amintsika fa mila manatona an’Andriamanitra isika, izy no mandinika antsika, eny mamantatra ny fo sy ny voa ka afaka mamaritra na madio isika na maloto; manoro ny endriky ny fidiovana sy fibebahana tokony hatao hahazoana ny fanamarinana eo anatrehany.
2- Manara-maso ny olona madio
Andraikitry ny olona voan’ny aretina ny mivavaka sy mifady hanina mba hahitany fanasitranana. Izany no fomba fanasitranana niainan’ny zanak’Israely. Rehefa sitrana kosa izy dia anjaran’ny Mpitondra fivavahana izay antsoina koa hoe mpisorona ny manara-maso azy ireny ka manamarina tokoa ny ilay boka. Manana andraikitra hanara-maso antsika ny mpitondra fivavahana kona ekeo izay fitaizana ataony.
Fanontaniana:
Vitanao ve ny andraikitra napetraky ny Tompo aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe