Ny fanasitranan’i Jesoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Janoary 2025

Sal 111.1-6 / Hira 167:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 426. 1-2

Marka 1. 40-45
40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. 41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. 42 Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. 43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay 44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. 45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

Tsy nisalasala ity boka nanatona an’i Jesoa ary nanambara ny faniriany tamim-panetren-tena sy ny fiangaviana satria nino izy fa manana hery sy fahefana mahasitrana azy i Jesoa. Izany no nangatahany hoe « raha mety hianao dia mahay manadio ahy ». Teo anatrehan’izany, na dia ho nosokajiana ho olona maloto aza ny boka ka tsy afaka mifanerasera amin’ny olona dia onena azy i Jesoa ka nanaiky ny hanadio azy rehefa nahita ny fangatahany amin’ny finoana ka dia sitrana tokoa ilay boka. Na dia bokan’ny fahotana aza isika olombelona, rehefa manantona an’i Jesoa ka miangavy ny hanadiovany antsika dia afaka manadio sy mamela ny fahotantsika tokoa i Jesoa. Natao ho an’izay rehetra mino Azy ny fanadiovana izany.

Rehefa sitrana ilay marary dia nafaran’i Jesoa mba hiseho amin’ny mpisorona sy hitondra ny fanati-panadiovana mba ho vavolombelon’ny fahasitranana nomen’i Jesoa aza. Na dia tsy nanao araka izay nolazain’i Jesoa aza ity olona sitrana ity, izany hoe tsy niseho tamin’ny mpisorona dia tsy nangina fotsiny anefa izy fa nandeha nilazalaza tamin’ny olona rehetra ny zavatra nataon’i Jesoa taminy. Marina fa nisy akony ratsy teo amin’ny fahafahan’i Jesoa miseho an-karihary izany, kanefa kosa dia nahatonga ny olona ho liana amin’i Jesoa ka nitangorona taminy. Aoka isika hanaiky izay lazain’ny Tompo ka hijoro vavolombelony amin’izay rehetra nataony tamintsika.

Oviana ianao no nijoro vavolombelon’ny Tompo farany?