Tsy miova Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Janoary 2025

Sal 125.1-5 / Hira 7.1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 10

Fitomaniana 5. 19-22
19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby. 20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ? 21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. 22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?

Na dia rava aza ny Tempoly dia ambaran’ny mpanoratra kosa fa maharitra mandrakizay ny fipetrahan’ Andriamanitra amin’ny seza fiandrianany. Izany indrindra no mampiseho fa tsy miova Andriamanitra, ary tsy hanadino azy ireo mandrakizay. Tsy misy andriamanitra toa Azy ka izany no manosika azy ireo hangataka ny hampiverenan’Andriamanitra azy ireo Aminy indray. Ao amin’Andriamanitra irery ihany no misy ny fanafahana amin’ny fahoriana miseho ankehitriny. Maharitra mandrakizay Andriamanitra ary maharitra toy izany koa ny famindrampony sy ny fitiavany ny olony. Koa andeha hiverina Aminy.

Ny hevitry ny hoe « Jehovah ô, ampivereno Aminao izahay mba hiverenanay, havaozy ho toy ny fahiny ny andronay » (and 21) dia maneho fa rehefa nihataka tamin’Andriamanitra ny olona ary nokapohin’Andriamanitra dia tsy vitan’ny fanapahan-kevitr’olona irery intsony ny fiverenana indray ao amin’Andriamanitra; fa Izy irery ihany no afaka mibaiko ho amin’ny fanatanterahana izany fikasana izany. Fahasoavana ao amin’Andriamanitra izany ary omeny maimaim-poana. Izany famerenana’Andriamanitra ny olona ho Aminy izany no maneho fa tsy handà ny olony tokoa izy ary tsy ho tezitra aminy mandrakizay satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Izy.

Tapa-kevitra hiverina ao amin’ny Tompo tokoa ve ianao?