Manendry mpaminany Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Janoary 2025

Sal 33. 1-5 / Hira 4.1-2 / Vavaka / Mofonaina / vavaka / Hira 283.1

Isaia 6. 1-8
1 [Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly. 2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. 3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra*.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany] 4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano. 5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko. 6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo* teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay] 7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao. 8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.

Mpanompo miavaka toa an’i Mosesy ihany no afaka nahita an’Andriamanitra mivantana. Nolazaina fa tsy mahazaka mijery izany voninahitr’Andriamanitra izany ny olombelona ary miteraka fahafatesana ny fahitana izany. Eto anefa dia nisehoan’ Andriamanitra mivantana koa i Isaia satria mpaminany miavaka notendren’Andriamanitra koa izy. Andriamanitra mihitsy no namela ny helony sy namela ny fahotany amin’izany. Ny olona antsoin’Andriamanitra andraikitra amin’ny iray dia resen’Andriamanitra lahatra amin’ny fomba maro samihafa izay tsy voatery ho toy ny tamin’ny andron’i Mosesy. Aza atao tsinontsinona izany fanambarana omen’Andriamanitra antsika izany.

Tao anatin’izany fisehoana izany no nandrenesan’Isaia ny antson’ny Tompo nanao hoe: « Iza no hirahiko, ary iza по handeha ho irakay? ». Tsapan’i Isaia izany andraikitra goavana sy sarotra iantsoan’Andriamanitra azy izany ka tsy nisalasala izy namaly sy nanaiky izany ka nanao, hoe « Inty aho, iraho aho ». Olona vonona sy manaiky izay ilan’ny Tompo azy toy izany no antsoin’Andriamanitra sy tendreny ho irany. Izay rehetra antsoina sy tendren’ Andriamanitra ho amin’ny fahasoavana dia tsy maintsy manaiky Azy ary vonona handeha hitory ny Filazantsara amin’ny firenena rehetra. Izany no maneho fa olona vanona sady vonona no antsoin’ny tendren’ny Tompo hanao ny asany.

Vonona hamaly ny antson’ny Tompo va ianao?