Ny fanatrehan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Janoary 2025
Sal.90.1-6 / Hira 241:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753:1-2
Asan'ny Apostoly 7. 44-50
44 Ny trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin'izay niteny tamin'i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany. 45 Izany koa dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i Davida; 46 izy nahita fitia anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba. 47 Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy. 48 Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona; araka ny nolazain'ny mpaminany hoe: 49 Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako? 50 Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)Ny fanatrehan’Andriamanitra
1- Miaraka hatrany amin’ny zanak’Israely Izy
Nanditra ny 40 taona nirenirenen’ny zanak’Israely tany an’efitra, nanomboka teo amin’ny nanomezan’Andriamanitra ny Vavolombelona dia ilay vato fisaka nirakitra ny didy dia tsy nisaraka tamin’izy ireo ny tranolay nitehirizana izany vato nirakitra ny teny fanekena izany. Eny hatramin’ny nitarihan’i Josoa azy ireo niditra ny tany Kanana dia nentina niaraka tamin’izy ireo hatrany izany araka ny toromarika. Izany nho manambara isika dia tsy tokony hahafoy’ na hahasaraka an’Andriamanitra mihitsy n’aiza n’aiza misy antsika.
2- Samihafa ny fihevitr’Andriamanitra sy ny olona
Rehefa tonga teo amin’ny fanjakana Davida dia nikasa hanagana Tempoly goavana ho an’Andriamanitra noho ny fitahiana azony. Nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Natana mpaminany anefa fa lehibe Andriamanitra ary tsy ny maha goavana ny Tempoly kasain’i Davida hatao no zava-dehibe amin’ Andriamanitra fa ny fanatrehany toy ny nitoerany tao amin’ny tabernakely. Tsara ny manao zavatra goavana ho an Andriamanitra saingy tsy voafehin’ireny Izy satria lehibe ary Tomopn’ny hery sy ny fahefana ka masi-mandidy amin’ny fandaharany sy izay tiany hatao. I Solomona no nohasoaviny hanatanteraka ny Tempoly saika hataon’i Davida rainy.
Fanontaniana:
Mino sy manaiky ny fanatrehan Andriamanitra hatrany ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe