Ireo endriky ny famonjen’Andriamanitra ny Israely

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Janoary 2025

Sal.107.1-9 / Hira 36.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka/ Hira 73.1,3)

Amosa 9. 13-15
13 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo. 14 Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra. 15 Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.

Haneho ny fahasoavany Andriamanitra ka hahavokatra tokoa ny tany. Izany no hevitry ny hoe ho tratran’ny mpiasa tany ny mpijinja. Ho taon-jina tokoa ary efa fomban’Andriamanitra izany. Endriky ny famonjen’Andriamanitra ny fahombiazantsika amin’izay atao fa tsy ny noho ny fahaizantsika.

Na dia tsy nitovy tamin’ny fanandevozana aza ny fiainana tany am-pahababoana dia nahatsiaro ho ory ny zanak’Israely satria vahiny an-tanin’olona. Nangidy tamin’izy ireo izany ary nitarainany tamin’Andriamanitra ka namonjen’Andriamanitra azy ireo. Tsarovy fa Andriamanitra dia afaka manafaka anao amin’izay asan’i satana mambabo sy mampitondra fahoriana anao ka ahatsiarovanao ho tsisy mpiahy.

Mamindra fo Andriamanitra sady malahelo ihany koa noho ny faharavan’ny tanana. Koa dia mampanantena Izy fa hamerina sy hametraka ny zanak’isaraely eo amin’ny tany nampanantenainy an’i Abrahama razambeny ary tsy hanala azy ireo eo intsony. Rehefa mitondra anao amin’ny fahasoavana izay nampanantenain Andriamanitra antsika isika dia aoka hiorina tsara ary hareno izay zavatra na toetra tokony harenina. Soa lavo hahay mamindra. Meteza haorin’ Andriamanitra mba tsy ho lany andro mivezivezy noho ny fahotana.

Inona no endriky ny famonjen’ Andriamanitra efa niainanao?