Ny fomba entina mihazona ny finoana
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Janoary 2025
Sal 109, 1-5/Hira 6, 1-2/Vavaka/Mofonaina / Vavaka/ Hira 338
Hebreo 12. 1-3
1 [Fananarana hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, 2 mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. 3 Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy*, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [* Na: ireo mpanota manimba tena]Ny fomba entina mihazona ny finoana
1- Manaisotra ny fahotana:
Aschon’ny mpanoratra amin’ny kisarin’ny hazakazaka hahazoana loka ny fizahan-toetra mahamay mahazo ny mpino. Amin’izany dia tsy maintsy esorina izay zava-manavesatra ny tena rehetra tsy hahafahana mandroso. Ny fahotana no vesatra misakana tsy hampandroso ny fiainam-panahy sy ny faharetana ao amin’Andriamanitra ka tokony hialana, araka ny voalaza hoe « aoka isika hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika ». Raha tiantsika ny haharitra amin’ny finoana sy ho mpandresy amin’izany hazakazaka masina ara-panahy izany dia aoka hialantsika izay fahotana, fahalemena, fahadalana, ditra fa ireny no manakana ny fianam-panahintsika sy ny fandrosoana amin’ny fanarahana an’i Kristy.
2- Mibanjina an’i Jesoa Kristy
Mafy ny fanenjehana tamin’izany, ka izany no mahatonga ny mpanoratra hanentana ny olona hibanjina an’i Jesoa Kristy izay niaritra ny mafy tokoa, niafara tamin’ny fahafatesany. Kanefa kosa dia nandresy izany fahavalo mahery indrindra izany Izy ka velona mandrakizay. Izany lalana niainan’i Jesoa izany no tokony hipetraka ao an-tsain’ny Kristiana mba hananany fanantenana sy finoana fa tsy haharitra mandrakizay ny fijaliana fa voafetra ihany. Aza mijery olona na izay toetra ratsy ataon’ny olona fa i Jesoa Kristy irery ihany ilay miandry anao eo amin-pahatongavan’ny mpandresy banjinina. Izay mibanjina an’i Jesoa dia ho mpandresy. Tahaka izany irco Jiosy izay nibanjina ny menarana varahina nahanton’i Mosesy dia nahita fahasitranana sy fahavelomana. Tandindon’i Jesoa Kristy io.
Fanontaniana:
Efa tena nibanjina an’i Jesoa marina tokoa ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe