Ny fitsaran’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Janoary 2025
Sal 97, 1-6/hira 1, 1-2/ Mofonaina/Vavaka/ hira 451, 1-2)
Apokalypsy 15,2 - 4
2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [* Na: tao amin] 3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. 4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.Ny fitsaran’Andriamanitra
1- Hanandratra izay miorina tsara
Nampaherezin’Andriamanitra tamin’ny fahitana i Jaona ka dia nampahery ny Kristiana koa manoloana ny fahoriana vokatry ny fanenjehana. Mampahery i Jaona fa ny fitsaran ‘Andriamanitra no tompon’ny teny farany, fa tsy ny fitsaran’ny Amperora izay natao ho andriamanitra nivavahana tamin’izany. Ny ranomasina fitaratra dia maneho ny voninahitra sy ny famirapiratan’ny fiandrianan Andriamanitra, ary ny fiharoany amin’ny afo dia maneho ny fitsarana ho avy izay midika ho fahasoavana sy fialofana hoan’ireo nifikitra amin’ny Tompo. Mila maharitra amin’ny fanenjehana isika, fa ny fitsaran’Andriamanitra no tompon’ny teny farany; izay fanantenana sy fandresena ho an’ireo izay miorina tsara.
2- Hankalaizain’ny olona rehetra;
« Ary mihira ny fihiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny Zanak’ondry izy manao hoe: Iza no tsy hatahotra ary iza no tsy hankalaza ny anaranao Tompo ô? ». Izany hoe ireo mpandresy noho ny fitsaran’Andriamanitra dia hidera Azy mandrakizay. Ny famonjena dia tanteraka amin’ny fifamenoan’ireo fanekena taloha nomanina tamin’ny alalan’i Mosesy sy ny fanekena vaovao tanteraka ao amin’i Kristy. Izany no hevitr’ireo hira roa ireo. Aza mangina fa hirao ny vonihahitr’ Andriamanitra amin’izay famonjena nataony taminao, mba hahalalan’ny olona rehetra izany famonjen Andriamanitra izany ka hahatonga ny olona řehetra hanaiky ny fitsaran’Andriamanitra.
Fanontaniana
Matoky ny fitsaran ‘Andriamanitra ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe