Katsaho ny fanjakan’ny lanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Janoary 2025
Sal 66.1-4 / Hira 36/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira 354.1,2
Matio 13. 24-30
24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny; 25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha. 26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary. 27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy: 28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy? 29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary. 30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.Katsaho ny fanjakan’ny lanitra
1- Mitandrema amin’ny fahavalo
Asehon’ity fanoharana ity fa misy ny fahavalo mety hampivily lálana ny olona ka tsy hahatafiditra azy amin’ny ny fanjakan’ny lanitra. Izy ireny no oharina amin’ny olona mamafy an-tsokosoko ahi-dratsy amin’ny tanimbary efa namafazana voa tsara… Mitovitovy endrika ny vary sy ny tsiparifary rehefa miaraka maniry eny an-tanimbary, ka sarotra amin’ny olona tsy mahalala ny manavaka azy. Tsy hita mihitsy ny mampiavaka azy roa raha tsy efa miteraka ny vary. Ny lesona hotsoahina avy amin’izany dia ny tokony hiambenana mandrakariva manoloana ny fisian’ny faminaniana sandoka izay mieli-patrana eto amin’izao tontolo izao. Izy ireny mantsy dia tsy mikendry afa-tsy ny hampiala ny olona amin’Andriamanitra sy ny foto-pampianarana marina izay ampianarin’i Jesoa.
2- Manana faharetana
Ary satria Andriamanitra no tompon’ny teny farany sady mahalala ny momba ny olona rehetra, dia mampianatra antsika Izy mba tsy hoentim-po ka hanongotra izay heverintsika ho fahavalon’ny Fiangonana. Anjara asany ny manao izany; Izy no hanavaka ny vary amin’ny tsiparifary rehefa tonga ny fararano. Eto amin’izao tontolo izao isika, tafaharo ao amin’ny Fiangonana ny olona izay heverina ho isan’ny « marina » sy ny olona heverina ho mpihatsaravelatsihy. Ny adidin’ny mpanara-dia an’i Kristy dia ny maneho faharetana, sy miala nenina aminy raha azo atao, mandra- piavian’ny Tompo amim-boninahitra hitsara ny olona rehetra araka ny asany avy.
Fanontaniana:
Efa nahare olona niteny hoe: <<< Jiolahim-piangonana » ve ianao? Inona hono no hevitr’izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe