Kristiana mandeha miendrika ny fiantsoana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Janoary 2025
Sal 128 / Hira 21 / Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/ Hira 20/4,5
Efesiana 4.1-8
1 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin'] 2 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana, 3 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana. 4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, 6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra. 7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra. 8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).Kristiana mandeha miendrika ny fiantsoana
1- Mazoto mitana ny firaisana (and.3)
Ny Kristiana tsirairay dia isan’ny momba ny tenan’i Kristy. Raha izany no izy dia azo lazaina fa ny tenan’i Kristy dia firaisan’ny zanak Andriamanitra rehetra. Fanahy iray no mamelona ny tena manontolo, ary fanantenana iray no iombonan’izy rehetra. « Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo. (and.4). Takiana amin’ny mpino tsirairay ny fahazotoana hitana ny firaisana. Tsy firaisana vao hoforonina izany, fa efa misy: Kristy no mampiray antsika. Anjarantsika kosa ny miezaka mitana izany amin’ny alalan’ny fahaizana manetry tena, fanehoana fahalemem- panahy, fahari-po, fahaiza-mifandefitra amin’ny fitiavana (and.2). Ny Fanahy Masina no toy ny rà mikoriana mamelona ny momba ny tena rehetra, dia ny mpino tsirairay avy. Ny Fanahy Masina no loharanon’ny firaisana.
2- Miara-miasa anaty fifahasamihafana
Ilaina ny fifahasamihafana mba hifameno sy hamelona ny tena manontolo. « Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra. » (and.7). Ny fanomezam- pahasoavana rehetra dia natao hampiasaina ho amin’ny fanompoana Azy. Kristy no Lohan’ny Fiangonana; Izy no mpifehy sady no lohan’ny tena. Ao Aminy no ahaizana manaiky fa « iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra » (and.6). Ny fifahasamihafana dia harena lehibe ho fampandrosoana ny Fiangonana raha miara-manompo sy mandeha miendrika izay niantsoana azy avy ny Kristiana tsirairay.
Fanontaniana:
Nahoana no tsy mety tanteraka ny ezaka fampiraisana ny mpino?
Sampana Sekoly Alahady Foibe