Lehibe ny fiandrianan’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Janoary 2025
LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA
Salamo 145.1-7
1 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo] Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. 2 Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. 3 Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany . 4 Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. 5 Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. 6 Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. 7 Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.Lehibe ny fiandrianan’ Andriamanitra
1- Izy no Mpanjaka.
Mametraka an’Andriamanitra ho Mpanjakany ny mpanao Salamo. Fantany fa Izy no mpitondra izao rehetra izao; eo an-tanany ny fanapahana sy ny fahefana rehetra; tsy hay tohaina ny heriny; tsy takatry ny saina ny fahendreny. Manolo-tsaina ny mpanompony Izy ka manoro sy mananatra azy mba hizorana amin’ny lalana marina. Andriamanitra Mpanjaka no manapaka co amin’ny fiainany manontolo, miaro amin’ny fahavalo. Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany mandrakizay Izy, nefa koa dia mahita sy mahafantatra izay manjo ny mpanompony.. Izany no Mpanjakan’ Israely, ambaran’ny mpanao Salamo eto, dia ilay tsy miova hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Andeha hiombona amin’ny mpanao Salamo isika ka hanao hoc: « Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria ». Hankalaza Anao isan’andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria » (and.1,2).
2- Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany
Ny fahitana ny halehiben’ny asan’Andriamanitra sy ny fitondrany ny olona, miampy ny fanazavan-tsaina avy amin’ny Fanahy Masina no ahafahan’ny olona mahalala ny momba an’ Andriamanitra. Avy amin’izay asehon’ Andriamanitra antsika no ahalalana fa be voninahitra Izy, mahatahotra, mahagaga ny asany, ny fahatsarany sy ny fahamarinany. Voafetra ihany anefa ny fahalalan’ny olona Azy, satria lehibe mihoatra noho izay heverin’ny olona Izy. « …Tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany » (and.3). Ao amin’i Jesoa Kristy no anehoan’Andriamanitra ny halehiben’ny fitiavany antsika.
Fanontaniana
Vitantsika ve ny hankalaza Azy isanandro isanandro?
Sampana Sekoly Alahady Foibe