Jesoa Kristy, ambony noho ny anjely.

Mofonaina anio: Talata, faha 31 Desambra 2024

Hebreo 1.5-14

Hebreo 1.5-14
5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) 6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). 7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4). 8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). 10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; 11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, 12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27). 13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) 14 Tsy fanahy manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana]

Jesoa Kristy, ambony noho ny anjely.

1- Zanak’Andriamanitra Izy

Miverimberina matetika eto ny fampitahana an’i Jesoa Kristy amin’ny anjely. Ninian’ny mpanoratra ny Epistily nohamafisina izany mba hanitsiana ny Kristiana jiosy izay diso nanome haja manokana ny anjely ka nila hanadino ny asam-pamonjena vitan’i Kristy. Asongadin’ny mpanoratra amin’izany áry fa Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra. Izy irery ihany no ambaran’ny mpanao Salamo hoe: « Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany ». (and.5; Sal 2.7). Ny anjelin’Andriamanitra dia tsy mba nantsoina amin’izany anarana izany, fa nasain’Andriamanitra hiankohoka co anatrehany (and.6). Ny dikan’ny hoe « anjely » dia mpitondra hafatra, fanahy, rivotra (and.7). Araka izany, ny anjely dia fanahy noforonina hanompo ny Ray sy ny Zanaka; asain’Andriamanitra manompo an’i Jesoa Kristy, Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay doria, nomen’Andriamanitra ny fahefana rehetra (and.8).

2- Mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny Ray Izy (and.13)

Tsy manana toerana co amin’ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ny anjely. Jesoa Kristy irery no nomen’Andriamanitra izany toeram-boninahitra izany, sady nataony handresy izay rehetra manohitra ny Teny sy ny fikasan’Andriamanitra. Hamafisina eto indray fa ny anjely dia tsy inona fa Fanahy nirahina hanompo an’i Jesoa Kristy, mandray ny endrika tian Andriamanitra hoentiny izy, tsy milaza anefa izany fa mpanompontsika izy ireny, fa nirahin’Andriamanitra kosa hanao fanompoana ho antsika. Noho izany dia tsy misy afa-tsy Jesoa Kristy irery ihany no ivavahantsika, Izy no hany làlana tokana ahafahantsika mandova fahasambarana mandrakizay any an-danitra.

Fanontaniana:

Inona no fiovana antenainao amin’ity taona vaovao ho avy ity?

Sampana Sekoly Alahady Foibe